Fitsarana Ambaratonga Voalohany Ambanja.

📌Ho tohin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy izay natombok’i Rtoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nanantanteraka Fitsarana mitety vohitra ihany koa ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ambaja ny 28 jona 2024 ka nizara didim-pitsarana misolo soram-piankohonana maimaimpoana ho an’ny Zaza latsaka ny 18 taona .

➡️ Izany no natao dia mba hisitrahan’ireo ankizy izay tsy mbola manana kopia lava ny zo hanana anarana, izay zo fototra voalohany tokony ananan’ny olombelona ka ahatonga azy ho olom-pirenena vanona.

✅Ao anatin’ny fanatanterahana ny Andry voalohany napetraky ny Filoham-pirenena ihany koa ity fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ity dia ny « Fanandratana ny maha olona ».