FANANGANAN-TSAINA TETO AMIN’NY MINISTERAN’NY FITSARANA.

📌Toy ny isaky ny alatsinainy voalohan’ny volana dia nanatanteraka fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ireo mpiara-miasa rehetra.

🎤Nandritra ny fandraisam-pitenenana dia nanentana momba ny fiarovan-tena amin’ny gripa mahery amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao ny dokotera eto anivon’ny Ministera, ka noho izany dia ilaina ny manao aro-vava orona indrindra rehefa anaty fivoriana.

➡️Ny Sekretera Jeneraly mpisolo toerana sady Talen’ny Kabinetra, Atoa RARIVOJAONA Emile, izay nitondra ny tenin’ny Ministry ny Fitsarana kosa dia nanentana ny Mpiara-miasa rehetra indrindra ireo any amin’ny Fitsarana mba hiara-hientana amin’ny fanatontosana ny hetsika lehibe « Varavarana misokatra ho an’ny Vahoaka » izay ho atao ny 18 Jolay 2024 ho avy izao eny amin’ny « Parvis » ny Lapan’ny Tanàna.