Fanofanana ireo tompon’andraikitry ny famokarana.

📌 Arakan’ny toromarika nomen’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana,
ny amin’ny hanofanana ireo tompon’andraikitry ny tobim-pamokarana sy ireo voavonja hiasa,
dia natomboka ny 12 Jona lasa izany ka ny fonjaben’ny Tsiafahy no nisantarana azy.

⚙️ Fiofanana momba ny tekinikam-pambolena nohatsaraina ka ny fambolena mangahazo « basket composte » no nanombohana azy

🎯 Ny tanjona dia ho fanatsarana ny fenitra arakalitao ny sakafon’ireo voafonja; hampitomboina ny vokatra miakatra ary mba hanan’ireo voafonja traik’efa rehefa tonga ny fotoana hiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.

⛏️ Ho fampiharana izany dia mangahazo 2.000 fototra no ho volena eny amin’ny tobim-pamokarana Tsiafahy izay eritreretina ahazoana vokatra 30 kg isakin’ny fototra na 60 T afaka 1taona sy 4 volana.

🎯 Izany dia atao mba hanenana ny vesatrin’ny fanjakana amin’ny famatsiana ny sakafon’reo voafonja.