Fanapariahana Lalàna.

📌Alakamisy, faha 13 jona 2024, tao amin’ny FJKM Ziona vaovao teto Mahajanga.
◽Niara-niombom-bavaka tamin’ny Kristianina tao amin’ny fiangonana
FJKM Ziona Vaovao eto Mahajanga, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ny mpiara-miasa aminy.

⭕Taorian’izany dia nisy fanapariahana lalàna, entina hanampiana ny Kristianina sy ahafahan’izy ireo handray andraikitra manoloana ny tranga mety hiseho manoloana ireo lalàna manan-kery.

⭕Nanokatra ny famelabelarana, noho izany, Ramatoa Ministra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ka nolazainy fa zava-dehibe ny fanentanana toy izao, indrindra amin’izao « iray volan’ny ankizy » izao. Ka lalàna roa no nentina nampahafantarina.

➡️Teo ny lalàna mifehy ny Fianakaviana ka notsongaina manokana ny mahakasika ny tolotra na « donation » sy mahakasika ny fandovàna na « successions ».

➡️Manaraka izany ny lalàna vaovao laharana faha 2024-001 tamin’ny 26 Febroary 2024 manova sy manitsy ny andininy ao amin’ny Fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana. Ity lalàna ity dia natao indrindra mba hiarovana ny ankizy, izay lalàna nametraka ny sazy alàlana famosirana, na ny « castration chirurgicale ».

✅Tamin’ny famaranana dia nozaraina takilakely mirakitra izany lalàna mahakasika ny tolotra sy ny fandovana ireo Kristiana tonga tao.