FAMORIANA NY LEHIBEN’NY FITSARANA.

⚖️ FAMORIANA NY LEHIBEN’NY SAMPAM-PITSARANA MOMBA NY ADY IDANAOVAN’NY OLON-TSOTRA AVY AMIN’NY FARITANY MAHAJANGA SY ANTSIRANANA HO FANATSARANA NY FAHAIZA-MITANTANA, ARY FAMPITAOVANA NY FITSARANA AMBONY ETO MAHAJANGA.

📌Taorian’ny fihaonana izay natomboka tany amin’ny Faritany Fianarantsoa sy Toliara dia nosokafan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana tamin’ny fomba ofisialy anio alarobia faha 12 Jona 2024 eto Mahajanga ny fihaonamben’ny Lehiben’ny Sampam-pitsarana momba ny ady ifanaovan’ny olon-tsotra avy amin’ny Faritany Mahajanga sy Antsiranana.

⭕Lohahevitra maro no ho velabelarina sy hifanakalozan’ny mpandray anjara hevitra mandritry ny telo andro.

✅Ny tanjona amin’izany dia :
– ny fanatsarana ny kalitaon’ny asam-pitsarana atolotra ny vahoaka manan-draharaha amin’ny fananana rafi-pitsarana izay tsy maintsy miantoka fitsarana mangarahara, tsy mitongilana ary haingam-piasa.
– ny fanamafisana ny fahaiza-mitantan’ireo Lehiben’ny Sampam-pitsarana.

➡️Namafisin’ny Ministry fa ny Fitsarana dia sampan-draharaha manome tolotra ny vahoaka ka anjaran’ny Lehiben’ny Fitsarana no maka ny fepetra hanafaingana ny fitsarana ny raharaha sy mba hanakaiky ny vahoaka ary mampanaraka ireo politika napetraky ny Minisitera foibe hahatratrana izany tanjona izany. Tsy mijanona amin’ny asam-pitsarana andavanandro ihany mantsy ny Lehiben’ny Fitsarana fa manana andraikitra fitantanana ihany koa.

🔄Ny fanatanterahana ity fivoriambe ity dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny PNUD, izay mpiara-miombon’antoka.

🎁Noho ny tsy fahampiana ara-pitaovana misy eo amin’ny fari-piadidian’ny Fitsarana Ambony eto Mahajanga dia nanolotra solosaina miaraka amin’ny fampitaovana feno miisa 13 miaraka amin’ny « photocopieuse » iray ho an’ity Fitsarana Ambony ity ihany koa ny Minisiteran’ny Fitsarana tarihin-dRamatoa Ministra ho fampandehanana ny raharaha sy fanafainganana ny fitsarana izany.

⭕Izao hetsika rehetra notanterahina an’io izao dia tafiditra hatrany ao anatin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana izay manome lanja ny maha olona (Andry voalohan’ny Filoham-pirenena) sy ny Fanjakana tsara tantana (Andry fahatelo) ary ny ady amin’ny kolikoly.

🎥 Anio, 12 jona 2024