FAMETRAHANA IREO LEHIBEN’NY FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY ETO BESALAMPY.

📌Alarobia 22 mey 2024, notanterahina ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana tamin’ny toerana ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Besalampy, A/toa ANDRIANTSOA Thierry Alfred sy ny Tonia Mpampanoa eo anivon’izany Fitsarana izany A/toa Laï Tsara Fabrice Lee.

✅Vonona ny hanatanteraka ny vinan’ny Ministeran’ny Fitsarana izy ireo izay Fitsarana manakaiky vahoaka ka hidina ifotony eny amin’ny vahoaka mba hampafantatra ny zon’izy ireo ary koa hamerina ny fahadiovan’ny fitsarana ka hiady amin’ireo mpijirika izay manimba ny hasin’ny fitsarana.

➡️Ny Filoha dia manentana ny vahoaka mba hanatona ny fitsarana rehefa manana raharaha tokony andraisan’ny fitsarana andraikitra mba ho fiarovana hatrany ny zon’izy ireo. Ary ny Tonia mpampanoa dia manentana ireo tompon’andraikitra sy vahoaka eo an-toerana mba hiara hiasa hitondra aina vaovao eo amin’ny tanànan’i Besalampy.

⭐Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ary teo koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teto an-toerana.