Fanolorana ny Fitsara Ambaratonga voalohany eto Besalampy.

📌Talata 21 Mey 2024, natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Besalampy. Notarihan’ny Filohampirenena Andry RAJOELINA ny fotoana niaraka tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto an-toerana.

➡️Nambaran’ny Minisitra fa ny fotodrafitrasa tahaka izao dia ao anatin’ny fanantaterahana ny vinan’ny fitondram-panjakana izay fitsarana manakaiky vahoaka. Mponina maherin’ny 126.000 miparitaka amina Kaominina miisa 9 dia Besalampy, Ankasakasa Tsibiray, Ambolodia Sud, Bekodoka, Antsirasira, Mahabe, Soanenga,Marovoay Sud, Ampako no hisitraka izany ka afaka mampanaja ny zon’izy ireo, eny fa na ny fakana tatarasy fitanisan-tsazy, na fanamarinana zom-pirenena, …

⭕Tombontsoa lehibe ho an’ny vahoakan’i Besalampy noho izany ny fahavitan’ny fotodrafitrasa ankehitriny satria tsy voatery mandeha tongotra lavitra be, na mandray botry na sambo makany Maintirano intsony izy ireo vao afaka manatona fitsarana fa efa akaiky azy ireo ny lapan’ny Fitsarana.