Famonoan’olona sy fakana an-keriny tao an-jozorobe.

Ho tohin’ny fivoriana nataon’ny OMC izay notarihan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta momba ny fandriam-pahalemana dia nanatanteraka fidinana sy fanadihadiana ifotony tany Anjozorobe ny Tonia Mpampanoa Lalàna, ny Solon’ny Tonia, ny Zokiolon’ny Mpitsara Mpanao Famotorana ary ireo Mpitsara mpanao famotorana avy ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo.

Nisy noho izany ny angom-baovao azo taorian’izany, ka nahafahana nisambotra jiolahy sy tompon’ andraikitra ary olona maromaro: toy ny Ben’ny tanàna maromaro sy lefitry ny sefo fokontany iray izay voasaringotra nohon’ny fampiantranoana, fanomezana sakafo sy vaovao ireo dahalo. Tao ihany koa ny polisy sy zandary am-perin’asa sy misotro ronono ary miaramila. Izy ireo indray dia voarohirohy ho namatsy basy sy fitaovam-piadiana ho an’ireo jiolahy.

️ Niakatra fampanoavana androany ireto farany ary notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy.

Mitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny fidinana ifotony satria maro ireo mpanao ratsy mbola karohina.