Fonjan’Ambovombe.

📌Sabotsy 27 aprily 2024, tamin’ny fandalovan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto amin’ny Faritra Androy teto Ambovombe dia nitsidika ny Fonja ny tenany niaraka tamin’ireo mpiara miasa aminy nijery ny zava-misy eo an-toerana.

➡️Nandritra izany no nanolorany Vary, Voamaina , Farine, Menaka, Savony, koveta, Milina fanjairana, balina lamba ary lafaoro hanampiana ireo voafonja amin’ny fianarak’asa ho fanomanana azy ireo hiverina eo anivon’ny fiaraha monina.
Teo ihany koa ny fanomezana solosaina sy imprimante ho an’ireo Mpandraharahan’ny fonja.

⭕Tao arianan’izay dia nojerena ny « jardin pénal » izay manampy amin’ny famatsiana sakafon’ny voafonja. Nojerena ihany koa ny tombim-pamokarana iray antsoina Ehavo izay miala 37km ny tanàna, mirefy 27ha. Tsikaritra tamin’izany ny olana hamokarana amin’io toerana io ka ho jerevana ny vaha olana amin’izany.