Fanolorona fitaovana.

📌Alatsinainy faha 19 Febroary 2024.Teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, solosaina miaraka amin’ny kojakoja ilaina aminy, miampy  » imprimante » no natolotry ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nahazo tamin’izany avokoa na ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, na ny Fitsarana Ambony Antananarivo sy ny Fitsarana Fandravana ary ny Fitsarana Tampony. Volan’ny Minisiteran’ny Fitsarana madiodio no nividianana ireo fitaovana ireo.

➡️Nambaran’ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa Fanjakana Tsara Tantana no tanjona ka mba ho fanohanana izany dia mila hatsaraina ny fomba fiasa sy ny fitaovana mba ho fanamafisana ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, antony nizarana ireto fitaovana ireto ka kendrena amin’izany ny hampiakatra hatrany ny kalitao ny asa tanterahana mba hiteraka fahafahampo ho an’ny vahoaka izay manan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana.

⭕Ankoatran’ Antananarivo dia efa nahazo ny fampitaovana avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ihany koa ny Fitsarana ao Toamasina, Mahajanga ary
Antsiranana.