Filankevi-panjakana.

📌Alakamisy faha 25 Janoary 2024, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy. Nanao dinik’asa ny Mpiasa rehetra eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Nanatrika izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay nilaza fa fanohizana ny atrik’asa natao tany Toamasina izao tanterahana izao, ary mifanandrify amin’ny andry telo napetraky ny Filoham-pirenena, ao anatin’izany ny fanatsarana ny asam-panjakana izay mahakasika ny asam-pitsarana ihany koa. Hamafisina ny ady amin’ny kolikoky, ny mangarahara, ny Fanjakana tsara tantana. Efa nisy ny kaomisiona teknika natsangana, nisahana ny fitadiavam-bahaolana maharitra, izay nanao tatitra ny asa vitany.

🎯 Tanjona tamin’ity dinik’asa ity ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny Filankevi-panjakana, indrindra ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana.

📎 Niatrika ny dinik’asa niaraka tamin’ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ny Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Tampony, nitarika izany kosa ny Filohan’ny Filankevi-panjakana sy ny Kaomisera Jeneralin’ny Lalàna.
Nandray anjara avokoa ny Mpitsara, ny Mpirakidraharaha ary ny Mpiasa tsotra.