Fivoriana mivantana sy nampitain-davitra (visioconférence) notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana.

Fivoriana mivantana sy nampitain-davitra (visioconférence) notarihan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahan’ny Fonja, Andriamatoa RALISAONA Arsène sy ireo tompon’andraikitry ny Fandraharahana ny Fonja.

📌 Namory ireo Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja sy ireo Lehiben’ny Fonja rehetra manerana ny Nosy ny Ministry ny Fitsarana mba hitazomana ny filaminana anatin’ny fonja sy ho fitsinjovana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminam-bahoaka amin’ny ankapobeny.

📍Hentitra ny tenin’ny Ministry ny Fitsarana fa tsy ekena ny goragora sy ny tandrevaka eny anivon’ny Fonja. Araka izany dia :
– nisy fanapahan-kevitra manokana noraisina, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona izao ;
– nampahatsiahivina ny fanajana ny fitsipika ankapobeny mifehy ny fonja sy fitsipim-pitondrantena ary ny etika ;
– namafisina ny tokony hidinan’ireo Talem-paritra rehetra eny amin’ny fonja eo ambany fiadidiany mba hanarahany maso ny asan’ny Lehiben’ny Fonja.

📍Namafisin’ny Ministry ny Fitsarana ihany koa ny tokony hanatsarana ny fiaraha-miasan’ny Fitsarana sy ny Fonja ao anatin’ny fanajana ny lalàna hatrany.

🔴 Notsindriany fa hisy ny fepetra ho raisina ho an’ireo izay minia tsy manaraka ny lalàna sy ny toromarika napetraka. Naneho fahavonona ny tompon’andraikitra rehetra hanatanteraka ny toromarika.

⭐ Mirary fety Sambatra ho an’ny rehetra ao anatin’ny filaminana ny Ministeran’ny Fitsarana.