ENAP, Fanehoana ambany faneva an’ireo mpianatra.

📌Ny Alarobia 27 desambra 2023, no notontosaina tao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpandraharahan’ny Fonja (ENAP) tao Antetezambaro ny lanonana ara-miaramila natokana ho fankasitrahana sy ho fanehoana ambany faneva ireo mpianatra miisa 250 tafita tamin’ny taranja samihafa rehefa niatrika ireo sedra maro nandritra ny 45 andro ary ny fiofanana fototra mikasika ny maha-miaramila sy ny tontolon’ny Fandraharahana ny Fonja amin’ny ankapobeny.

➡ Misalotra ny anarana MIARO ( Maturité, Intégrité, Authenticité, Responsabilité, Obéissance) ireto andiany ireto ka ny Inspecteur en chef d’Administration Pénitentiaire BEGARA Étienne, Directeur de l’ Inspection Pénitentiaire no Ray mpiahy azy ireo, izay nitsodrano ny andiany hahavita soa aman-tsara ny fiofanana mbola ho ataon’izy ireo.

⭕ Ny lanonana dia teo ambany fitarihan’ny Inspecteur en chef d’ Administration Pénitentiaire RAZAFINTSALAMA Désiré, Tale Jeneralin’ny ENAP.

⭕Ity hetsika ity dia tsy vitan’ny hoe nanome voninahitra ny zava-bitan’ny mpianatra tsirairay, fa nanasongadina ihany koa ny maha zava-dehibe stratejika ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny ho avy amin’ny fahombiazana sy ny fahamarinan’ny rafitry ny fonja.

⭐Tompon’ andrakim-pajankana maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana.