CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature).

MIFARANA NY TAOM-PIASANA 2021 – 2023? MANOMBOKA NY TAOM-PIASANA 2024-2026. NISAOTRA NY MPIKAMBANA TEO ALOHA ARY NIARAHABA NY MPIKAMBANA VAOVAO NY MINISTRY NY FITSARANA.

📌 Talata faha-5 Desambra 2023, teto amin’ny Hôtel Colbert, ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, Filoha Lefitry ny CSM dia nisaotra ireo Mpikambana nahavita ny asa nandritra ny telo taona. Nambarany fa tsy mora izany, noho ity rafitra ity, misahana ny fanapahan-kevitra mikasika ny Mpitsara, nefa tsy maintsy tanterahana.

➡ Tao anatin’izay telo taona izay mantsy dia 3.188 ny raharaha nandalo teo anivon’ny CSM. Ny 13 isan-jato no mahakasika ny fitsipi-pitondrantenan’ny Mpitsara. Ny ankoatr’izay dia mikasika ny fitantanana ny asan’ny Mpitsara. 500 ny fanapahan-kevitra tamin’ny famindran-toerana. Ary 11 no isan’ny fanendrena ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga eny anivon’ny sampam-pitsarana. 62 ny fangatahana fihofanana.

⭕ Tetsy ankilan’izay, niarahaba sy nankahery ny Mpikambana vaovao amin’ny asa miandry mandritry ny telo taona ho avy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana. Nambarany mantsy fa betsaka ny vitan’ny Mpikambana teo aloha, ary antenaina fa tsy ho latsa-danja amin’izany ny ho avy.
Notoloran’ny Minisitra taratasy mari-pankasitraha ireo Mpikambana teo aloha, ho marika fa nahatontosa ny andraikitra nankinina taminy izy ireo.

📍Marihina fa 20 no isan’ny Mpikambana eo anivon’ny CSM.

🎤 Atolotra anao ny lahatenin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana , RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana nandritra ny famaranana ny taom-piasan’ny Filankevitra Ambony ny Mpitsara (CSM) teto amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina.