CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature).

CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature): MAMARANA NY FOTOAM-PIASANA, MITARIKA NY FIVORIANA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISTRY NY FITSARANA.

📌Alatsinainy faha 4 Desambra 2023, eto amin’ny Biraon’ny CSM ( Conseil Supérieur de la Magistrature) eto Tsaralalana, manatanteraka fivoriana ny Mpikambana. Mitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay Filoha Lefitry ny CSM.

➡Fivoriana farany ho an’ny CSM amin’ity taona ity sady famaranana ny fotoam-piasan’ireto Mpikambana ireto izao tanterahana izao ka sady nisaotra azy ireo tamin’ny asa vita ny Minisitry ny Fitsarana no nitondra sosokevitra amin’ireo zava-dehibe tokony mbola handraisana fanapahan-kevitra mandritra ity fivoriana farany ity. Ny Talata faha-5 ny Volana Desambra 2023 mantsy no hanaovana ny famindram-pahefana amin’ireo Mpikambana vaovao handrafitra ny CSM, amin’ny fotoam-piasana manaraka.