AMBILOBE : HANANGANA FONJA VAOVAO NY FANJAKANA.

⚖️AMBILOBE : HANANGANA FONJA VAOVAO NY FANJAKANA. NIJERY NY FIAINAN’NY VOAFONJA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌Zoma faha-10 Novambra 2023, nijery ny zavatra iainan’ny voafonja eto Ambilobe ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nandritra izany no nahafantarana fa folo no isan’ny voafonja eto ka Vehivavy ny efatra ary lehilahy ny enina. Izy ireo dia efa voatsara ary manefa sazy avokoa.

✔️Hanangana Fonja vaovao eto Ambilobe ny Fanjakana. Mandrapahavitan’ izany fotodrafitrasa vaovao izany anefa dia asiam-panamboarana aloha ny Fonja ankehitriny mba ho fanajana sy fiarovana ny zon’olombelona. Efa antitra mantsy ny trano nefa tsy nisy fanavaozana nandritry ny taona maro. Efa tonga nijery ny lafiny tekinika amin’ny fanatanterahana izany fanamboarana izany rahateo ny tekinisianina iraky ny Minisiteran’ny Fitsarana.

⭕Nandritra ity fitsidihana ity ihany koa no nanomezan’ny Minisitra toromarika ho an’ny Tompon’ andraikitra mitantana ny Fonja, mba hampiasa ny rezisitra amin’ny fomba tena matianina , nohon’ny fitantanana ny Fonja izay mifamatotra amin’ny asam-pitsarana, nohon’ny fitsarana vaovao eto Ambilobe efa misokatra ho an’ny Vahoaka.