FANOMEZANA FITAOVANA SY SOLOSAINA AVY AMIN’NY PAJMA.

📌 Notanterahina ny Alakamisy 12 oktobra 2023 ny fanolorana solosaina sy fitaovana avy amin’ny tetik’asa PAJMA ho an’ireo fitaleavana sy sampana maro eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.

➡Ity tetik’asa ity moa dia nanomezan’ny AFD famatsiana vola mitentina 5.000.000 euros nohon’ny tsy fahampiana ara-bola eo anivon’ny ministera, araka ny lahateny nataon’ny Mpandrindra ny tetik’asa.

✅Anisan’ny nisitraka izany fitaovana sy solosaina izany ny BCCJEP, DGPR, DGAP, DAFP, PRMP, SPP, CODIS-AP, DRP, ny DRAP Atsinanana. Fa ny FJPA no nahazo ampahany betsaka amin’izany mba hahafahana manantateraka ny fanangonana ireo lamandy eny amin’ny fitsarana ka mba hananana loharanom-bola sy fahaleovantena ara-bola ary indrindra indrindra ho fampiharana ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara.

⭕ Mbola nanamafy izany ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA. Nankasitraka ny PAJMA tamin’ireo famatsiana sy fiaraha-miasa maro efa nisy teo amin’ny roa tonta izy, ary misaotra tamin’ny fampitaovana ny ministera izay iandraiketany, satria dia ao anatin’ny tsy fahampiana tokoa ny ministera noho izany dia tsara fahatongavana ireo fanohanana ara-pitaovana ireo. Mitondra ainga vao ho an’ny asam-pitsarana izany. Manantena ny fitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany izy amin’ny alalan’ny PAJMA2.

📍 Ireto avy ireo fitaovana natolotry ny PAJMA :
– Photocopieurs performants : 2
– Imprimante multifonction : 8
– Imprimante Laser : 2
– Ordinateurs de bureau : 34
– Ordinateurs portable : 7
– Onduleurs : 34
– Stabilisateurs : 21