FITSARANA AMBONY : NAPETRAKA AMIN’NY TOERANY NY FILOHA VOALOHAN’NY FITSARANA.

FITSARANA AMBONY : NAPETRAKA AMIN’NY TOERANY NY FILOHA VOALOHAN’NY FITSARANA.NANATRIKA NY LANONAM-PITSARANA NY MINISTRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

📌Alatsinainy faha -16 Oktobra 2023, teto amin’ny Fitsarana Ambony Antananarivo. Napetraka amin’ny toerana maha – Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Ambony Ramatoa LIVAHARISOA RAKOTOMANGA Liliane, lanonam-pitsarana manetriketrika, natrehan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

➡Ny Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Ambony no Lehiben’ny Mpitsara Mpamoaka didy. Novelabelariny ny lanjan’ ny fampakarana Fitsarana Ambony, izay rafitra ahazoana mitondra raharaha raha toa ka tsy mahafa-po ny olona manan-draharaha ny didy nivoaka teo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany.

✅Vinan’asany ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’io sampam-pitsarana io, ao anatin’izany ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana, indrindra ny ady tany, mifanindran-dalana amin’izany ny fanafainganana ny Fitsarana ady madio, eo koa ny fampakarana ny tahan’ny voafonja voatsara raha oharina amin’ny voafonja tsy voatsara, ho an’ny ady heloka, hamafisiny ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny Mpisolovava ka hisy ny atrikasa iarahan’ny roa tonta. Izany rehetra izany dia ao anatin’ny ny politikam-pitantanana napetraky ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

⭕Taorian’ny lanonam-pitsarana manetriketrika no nanazavan’ny Minisitry ny Fitsarana ny fanontanian’ny Mpanao Gazety mikasika ny famindran-toerana ny Mpiandry Fonja, nambarany fa toy asam-panjakana rehetra dia misy ny fandamina, mba ho fanatsarana ny fomba fiasa, tsy midika ho sazy arak’izany ny famindran-toerana. Nanatrika ny lanonana teto amin’ny Fitsarana Ambony ireo Minisitry ny Fitsarana teo aloha, ny Mpisolovava ary ireo mpisehatra amin’ny raharaham-pitsarana.

🎥 Taorian’ny fanatrehana izany lanonam-pitsarana izany dia nitafa tamin’ny Mpanao gazety tonga teny an-toerana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.