FANOMEZANA KOPIA FAOBE.

FANOMEZANA KOPIA FAOBE: MITOHY NY EZAKY NY MINISITERAN’NY FITSARANA SY NY OIF.

📌Ny Alakamisy 28 sy ny Zoma 29 Septambra 2023, Kaominina roa ao amin’ny Faritra Itasy, anatin’ny Distrikan’Miarinarivo sy Soavinandriana indray no nanatanterahana ny fizarana kopia faobe.

➡️Ho an’ny Kaominina Miandrandra dia ankizy miisa 350 no nahazo izany. Miisa 300 kosa ho an’ny Kaominina Ampary. Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana dia nanentana hatrany ny Ray aman-dReny, mba hanoratra avy hatrany ny zaza raha vao teraka, mba ialana amin’ny olana hateraky ny tsy fananana sora-piankohonana. Tetsy an-kikany, nahatsapa ny rehetra fa tsy nataon’ny Minisiteran’ny Fitsarana ho ambanin-javatra ny ho avin’ny zaza Malagasy matoa misy izao hetsika izao.

✔️Ny fananana sora-piankohonana mantsy no hahafahana mianatra, manana karapanondro, hahafahana mifidy, ary hahafahana misora-panambadiana. Tsara ny mampahatsiahy fa ity fizarana kopia faobe ity, dia fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny OIF ary ny Ben’ny Tanana amin’ny toerana hiantefan’ny tetikasa.