FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA.

FITSARANA MISAHANA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA: MANAO FIKAONANDOHA. MANDRAY ANJARA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌Alarobia 27 Septambra 2023, eto Toamasina no hanatanterahana ny fikaonandohan’ny Mpitsara misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana manerana an’i Madagasikara. Lohahevitra telo no ho kirakiraina, hifampizarana traikefa ary hanaovana adihevitra. Isan’izany ny mikasika ny fifidianana eny anivon’ny vondrombahoaka hitsinjaram-pahefana, izay andraikitry ny Fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny Fanjakana.

➡Voalohany no nisian’ity fikaonandoha ity, izay notohanan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny PNUD, tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana raha ny nambaran’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nambarany fa betsaka ny fanavaozana tokony ho tanterahina, na eo amin’ny fomba fiasa, na eo amin’ny famoahana didy sy fampiharana ny lalàna. Matetika mantsy no tsy mitovy ny didy mivoaka amin’ny tranga mitovy, antony maha-zavadehibe ny fikaonandoha toy izao.

⭕Telo andro no faharetan’ny fikaonandoha eto Toamasina ka hisy ny varavarana misokatra ho an’ny Vahoaka, hampahafantarina ny adidy sy andraikitry ny Fitsarana misahana ny ady hifanaovana amin’ny Fanjakana.