Hetsika Fiara zo.

📌 Tao arianan’ny fandalovana tao Ankazondandy ny Alarobia 26 Aprily 2023 dia nifarana tao ambonivohitr’i Anjozorobe ny hetsika « Fiara Zo » ny Alakamisy 27 Aprily 2023.

➡Tratra ny tanjona amin’ny hoe fitsarana manakaiky vahoaka. Tonga maro ny vahoaka ary tsapa fa tena ilaina ny fidinana ifotony toy izao mba hafahana mahazo ireo taraina sy tena hafantarana ny zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina.
Naharitra ora maro ny fihaonana ary ireo vahoaka no tena nohenoina tamin’izany.

✅Nampafantarina ny lalàna misy sy ny zony ireo vahoaka ary natoro azy ireo ny paik’ady rehetra aram-pitsarana mba hisoroana ny tsindry sy fanararaotana ary indrindra hialàna amin’ny kolikoly izay iadivan’ny Ministeran’ny Fitsarana fatratra.

⭕Nandray anjara mavitrika sy niara-nisalaha avy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fitsarana toy ny Mpitsara, Mpirakidraharaha ary teo ihany koa ny Mpisolovava sy ny Notera.

🔷Izao hetsika izao moa dia tohanan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD).

🔴 Ity hetsika ity dia mbola hitohy amin’ny faritra hafa.