Posted in Autres Evenements

FAMETRAHANA LAMIN’ASA.

📌Anio Alatsinainy, 26 aogositra 2024, Nanatanteraka fivoriana faha-roa niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky teto amin’ny Minisitera, teto Faravohitra, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.

➡️Nivoitra tao anatin’izany fivoriana izany ny fanamafisana ny Politika izay apetrany dia ny ady amin’ny kolikoly ary koa ny fanatsarana ny fomba fiasa rehetra eo anivon’ny tontolon’ny Fitsarana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampivoarana ny Haitao ara-kajy mirindra na ny « digitalisation » mba hahazoana vokatra aingana sady mahomby.

➡️Tao aorian’izay ny tolakandro teo dia nampiantso avy hatrany ireo solontenan’ny Sendikan’ny Mpitsara, ny Sendikan’ny Mpirakidraharaha, ny Holafitry ny Mpisolovava, ny Sendikan’ny Mpandraharahan’ny Fonja, ny Holafitry ny Vaditany, ny Holafitry ny Mpirakiteny mpanoto soratra, ny Filohan’ny CAREA ary ny Manampahaizana momba ny fitantanana (Ordre des Experts Comptables et Financiers) ny Ministra hakany soso-kevitra fa ihany koa hijerena miaraka ny mety ho olana sy hitondrana vahaolana mifandraika amin’izany eo amin’ny fampandrosoana ny asam-pitsarana.

image_absente