Posted in Actualités

FAMINDRAM-PAHEFANA.

📌Tontosa anio 23 Aogositra 2024 teto amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana teto Faravohitra ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana teo aloha Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ny vaovao Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.

⭕Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Ministra vaovao dia nisaotra ny Ministra teo aloha izy tamin’izay vitany ary vonona izy hanohy izay tsara natao amin’ny asa. Nanindry izy ny ady momba ny kolikoly ary hanao izay rehetra vitany hanenana izany. Manentana ny mpiara-miasa rehetra koa izy mba hazoto amin’ny fanaovana ny asa ary hanaraka ny azakazaka izay hitarian’ny Filoham-pirenena. vonona ny tenany hiara-hiasa amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka.

☑️Tao aorianan’izay dia nampivory avy hatrany ireo mpiara-miasa izy nanome ny toromarika amin’ny fomba fiasa.