Posted in Actualités

FITSARANA MANETRIKETRIKA NANDRAISANA NY FIANIANAN’NY TALE JENERALIN’NY BIANCO.

📌Notanterahina anio 14 Aogositra 2024 teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy ny Lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’ny Tale Jeneralin’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly na BIANCO, Andriamatoa RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor.

⭐Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny Governemanta sy ireo olo-manankaja isan-tsokajiny.

✅Lanonana manan-danja ity indrindra amin’ny ady amin’ny kolikoly ary ny Ministeran’ny Fitsarana dia manohana sy miray hina tanteraka amin’ny BIANCO sy ireo rafitra hafa napetraka manokana amin’izany ady lehibe amin’ny kolikoly izany hoy ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

➡️Ny Tale Jeneralin’ny BIANCO dia vonona tanteraka hamerina ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ireo rafi-pitantanana isan-tsokajiny ka hanamafy ny fangaharahana ary ny ady amin’ny kolikoly. Vonona hanatontosa ny fanamby napetraka hiadiana amin’ny kolikoly. Namaritra hanefa izy fa iombonana io ady amin’ny kolikoly io ary iraisan’ny rehetra, ary ny BIANCO dia tsy natao ho fampitahorana fa natao hanampy ny vahoaka.

⭕Marihana fa hiasa mandritra ny 5 taona tsy azo havaozina ny Tale Jeneralin’ny BIANCO vaovao.