Posted in Autres Evenements

FAMETRAHANA LAMIN’ASA.

📌Anio Alatsinainy, 26 aogositra 2024, Nanatanteraka fivoriana faha-roa niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky teto amin’ny Minisitera, teto Faravohitra, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, A/toa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.

➡️Nivoitra tao anatin’izany fivoriana izany ny fanamafisana ny Politika izay apetrany dia ny ady amin’ny kolikoly ary koa ny fanatsarana ny fomba fiasa rehetra eo anivon’ny tontolon’ny Fitsarana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampivoarana ny Haitao ara-kajy mirindra na ny « digitalisation » mba hahazoana vokatra aingana sady mahomby.

➡️Tao aorian’izay ny tolakandro teo dia nampiantso avy hatrany ireo solontenan’ny Sendikan’ny Mpitsara, ny Sendikan’ny Mpirakidraharaha, ny Holafitry ny Mpisolovava, ny Sendikan’ny Mpandraharahan’ny Fonja, ny Holafitry ny Vaditany, ny Holafitry ny Mpirakiteny mpanoto soratra, ny Filohan’ny CAREA ary ny Manampahaizana momba ny fitantanana (Ordre des Experts Comptables et Financiers) ny Ministra hakany soso-kevitra fa ihany koa hijerena miaraka ny mety ho olana sy hitondrana vahaolana mifandraika amin’izany eo amin’ny fampandrosoana ny asam-pitsarana.

image_absente

Posted in Autres Evenements

FITSIDIHANA HO FAMPAHEREZANA IREO MPIARA-MIASA.

📌Anio 24 Aogositra 2024, ny atoandro teo dia nitsidika an’ireo Mpitsara mpiandry raharaha ao amin’ny Biraon’ny Mpitsara mpanao Famotorana eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Anosy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.

➡️Nampahery sy nijery ny fomba fiasa ary ny olana mety misy amin’ny fanantanterahina ny asa ny tena votoatiny ny fitsidihana.

⭕Ny fampandrosoana ny Fitsarana dia tsy vitan’ny Ministra tenany irery hoy izy fa miara mandroso amin’ireo Mpiara-miasa rehetra aminy.

image_absente

Posted in Actualités

FAMINDRAM-PAHEFANA.

📌Tontosa anio 23 Aogositra 2024 teto amin’ny tranom-bokin’ny Ministeran’ny Fitsarana teto Faravohitra ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana teo aloha Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ny vaovao Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis.

⭕Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Ministra vaovao dia nisaotra ny Ministra teo aloha izy tamin’izay vitany ary vonona izy hanohy izay tsara natao amin’ny asa. Nanindry izy ny ady momba ny kolikoly ary hanao izay rehetra vitany hanenana izany. Manentana ny mpiara-miasa rehetra koa izy mba hazoto amin’ny fanaovana ny asa ary hanaraka ny azakazaka izay hitarian’ny Filoham-pirenena. vonona ny tenany hiara-hiasa amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka.

☑️Tao aorianan’izay dia nampivory avy hatrany ireo mpiara-miasa izy nanome ny toromarika amin’ny fomba fiasa.

Posted in Actualités

Mpikambana vaovao ao amin’ny Governemanta.

Voatendry ho Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis, tao aorian’ny fanambarana ho an’ireo Mpikambana vaovao mandrafitra ny Governemanta anio 22 aogositra 2024.

Ny Fianakaviam-ben’ny Ministeran’ny Fitsarana diafaly miarahaba ny Ministry ny Fitsarana vaovao.

image_manquante

Posted in Autres Evenements

RONGONY TRATRA TENY AMIN’NY FARITR’IAVOLOHA.

🎥 Mitondra fanazavana ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo, Ramatoa RAKOTONIAINA Narindra Navalona.