Posted in Autres Evenements

FAMPITAOVANA NY FITSARANA.

📌Tao anatin’ny fanokafana ny toeran’ny MFT na ny Madagasikara Fanantenana Technologie etsy Behoririka dia nanolotra solosaina miisa 50 ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana izy ireo ho fanampiana amin’ny asa ao anatin’izao azakazaka amin’ny haitao arakajy mirindra izao.

⭕ Ny talen’ny Kabinetran’ny Ministry ny Fitsarana sady Sekretera Jeneraly mpisolo-toerana, A/toa RARIVOJAONA Emile no nisolo tena ny Ministry ny Fitsarana no sady nitondra ny teny fisaorana tamin’izany.

➡️Ny MFT izay miara-miasa amin’ny Era.ca sy ny MHTM dia mikirakira ireo solosaina efa niasa ka mamerina manamboatra izany mba ho afaka ampiasaina indray ka mizara izany maimaimpoana ho an’ireo mila izany toy ireo mpianatra eny amin’ireny akany ireny ohatra.