Jour : 5 juillet 2024
FANANGANAN-TSAINA TETO AMIN’NY MINISTERAN’NY FITSARANA.
📌Toy ny isaky ny alatsinainy voalohan’ny volana dia nanatanteraka fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ireo mpiara-miasa rehetra.
🎤Nandritra ny fandraisam-pitenenana dia nanentana momba ny fiarovan-tena amin’ny gripa mahery amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao ny dokotera eto anivon’ny Ministera, ka noho izany dia ilaina ny manao aro-vava orona indrindra rehefa anaty fivoriana.
➡️Ny Sekretera Jeneraly mpisolo toerana sady Talen’ny Kabinetra, Atoa RARIVOJAONA Emile, izay nitondra ny tenin’ny Ministry ny Fitsarana kosa dia nanentana ny Mpiara-miasa rehetra indrindra ireo any amin’ny Fitsarana mba hiara-hientana amin’ny fanatontosana ny hetsika lehibe « Varavarana misokatra ho an’ny Vahoaka » izay ho atao ny 18 Jolay 2024 ho avy izao eny amin’ny « Parvis » ny Lapan’ny Tanàna.
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/449523136_824651579759916_6568599907509831999_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/449598985_824651586426582_8975382591137720252_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/449522893_824651476426593_8455736319893363967_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/449317489_824651673093240_817585355065281219_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/449314231_824651776426563_5273019490836414741_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/449313445_824651563093251_2918024865709221702_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/449513839_824651526426588_6119457656079169459_n.jpg)