Posted in Autres Evenements

FITSARANA AMBARATONGA VOALOHANY MANDRITSARA.

📌Ny 6 Jolay 2024, no notanterahina ny lanonam-pitsarana manetriketrika nametrahana tamin’ny toerany ny Tonia Mpampanoa eo anivon’ny Fitsarana Mandritsara, A/toa André ANDRIMPIRENENA izay notarihan’ny Fitsarana Ambony Mahajanga.

✅Vonona ny hanatanteraka ny vinan’ny Ministeran’ny Fitsarana izay Fitsarana manakaiky vahoaka ny tenany ary vonona ihany koa hiady amin’ny kolikoly sy ireo mpijirika izay manimba ny hendriky ny fitsarana.

⭐Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto an-toerana.

Posted in Autres Evenements

Fitsidihana ara-pomba fanajana.

📌Anio 05 jolay dia tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana an’ny Minisitry ny Fitsarana sady Ministry ny Mponina sy ny Firaisankina misolo toerana,R/toa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana Faravohitra, ny delegasiona notarihin’ny Filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny UNICEF, Andriamatoa Ernest RWAMUCYO, izay mamita iraka eto Madagasikara.

➡️Nisy ny jery todika ny amin’ireo asa vita niarahana tamin’ny UNICEF sy ny dinidinika momba ireo vinavinan’asa kasaina tamin’izany, na ho an’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina na ho an’ny Ministeran’ny Fitsarana, ity farany izay manana andraikitra amin’ireo zaza tsy ampy taona manana olana amin’ny lalàna.

⭕️Ny UNICEF dia anisan’ireo mpiara-miombon’ antoka miasa amin’ny sehatra maro toy ny amin’ny lafiny fanabeazana, ny fiahiana ara-sosialy indrindra ho an’ ireo ankizy eto Madagasikara.

Posted in Actualités

FANANGANAN-TSAINA TETO AMIN’NY MINISTERAN’NY FITSARANA.

📌Toy ny isaky ny alatsinainy voalohan’ny volana dia nanatanteraka fananganan-tsaina teto amin’ny Ministeran’ny Fitsarana ireo mpiara-miasa rehetra.

🎤Nandritra ny fandraisam-pitenenana dia nanentana momba ny fiarovan-tena amin’ny gripa mahery amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao ny dokotera eto anivon’ny Ministera, ka noho izany dia ilaina ny manao aro-vava orona indrindra rehefa anaty fivoriana.

➡️Ny Sekretera Jeneraly mpisolo toerana sady Talen’ny Kabinetra, Atoa RARIVOJAONA Emile, izay nitondra ny tenin’ny Ministry ny Fitsarana kosa dia nanentana ny Mpiara-miasa rehetra indrindra ireo any amin’ny Fitsarana mba hiara-hientana amin’ny fanatontosana ny hetsika lehibe « Varavarana misokatra ho an’ny Vahoaka » izay ho atao ny 18 Jolay 2024 ho avy izao eny amin’ny « Parvis » ny Lapan’ny Tanàna.