Jour : 28 juin 2024
Fitsarana Ambaratonga Voalohany Ambanja.
📌Ho tohin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy izay natombok’i Rtoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nanantanteraka Fitsarana mitety vohitra ihany koa ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ambaja ny 28 jona 2024 ka nizara didim-pitsarana misolo soram-piankohonana maimaimpoana ho an’ny Zaza latsaka ny 18 taona .
➡️ Izany no natao dia mba hisitrahan’ireo ankizy izay tsy mbola manana kopia lava ny zo hanana anarana, izay zo fototra voalohany tokony ananan’ny olombelona ka ahatonga azy ho olom-pirenena vanona.
✅Ao anatin’ny fanatanterahana ny Andry voalohany napetraky ny Filoham-pirenena ihany koa ity fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ity dia ny « Fanandratana ny maha olona ».
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/449011915_823046613253746_1200145542230290665_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/abc.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/449334944_823046583253749_6713079781671880981_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/07/449013961_823046446587096_707813956952329413_n.jpg)