Jour : 13 juin 2024
Fanapariahana Lalàna.
📌Alakamisy, faha 13 jona 2024, tao amin’ny FJKM Ziona vaovao teto Mahajanga.
◽Niara-niombom-bavaka tamin’ny Kristianina tao amin’ny fiangonana
FJKM Ziona Vaovao eto Mahajanga, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ny mpiara-miasa aminy.
⭕Taorian’izany dia nisy fanapariahana lalàna, entina hanampiana ny Kristianina sy ahafahan’izy ireo handray andraikitra manoloana ny tranga mety hiseho manoloana ireo lalàna manan-kery.
⭕Nanokatra ny famelabelarana, noho izany, Ramatoa Ministra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, ka nolazainy fa zava-dehibe ny fanentanana toy izao, indrindra amin’izao « iray volan’ny ankizy » izao. Ka lalàna roa no nentina nampahafantarina.
➡️Teo ny lalàna mifehy ny Fianakaviana ka notsongaina manokana ny mahakasika ny tolotra na « donation » sy mahakasika ny fandovàna na « successions ».
➡️Manaraka izany ny lalàna vaovao laharana faha 2024-001 tamin’ny 26 Febroary 2024 manova sy manitsy ny andininy ao amin’ny Fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana. Ity lalàna ity dia natao indrindra mba hiarovana ny ankizy, izay lalàna nametraka ny sazy alàlana famosirana, na ny « castration chirurgicale ».
✅Tamin’ny famaranana dia nozaraina takilakely mirakitra izany lalàna mahakasika ny tolotra sy ny fandovana ireo Kristiana tonga tao.
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/06/448241036_814020230823051_1123162128270902117_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/06/448359171_814019587489782_195913458330772434_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/06/448260745_814020447489696_4217555320644301047_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/06/448093834_814020177489723_2790781628157003953_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/06/448126375_814020500823024_4125276286574387592_n.jpg)