Posted in Actualités

Fidinana ifotony tao Ambatolampy.

📌Sabotsy 08 Jona 2024, Efa maro ireo rantsam-pitsarana sy fonja notsidihana ka tsy diso anjara ny eto Ambatolampy.

➡️Tonga teto ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa avy eny amin’ny Ministera nanolotra fitaovana sy fitafiana ho an’ireo ankizy voafonja miisa 11 hanala fanadinana CEPE, ary bodofotsy sy boky ary baolina ho an’ny ankizy rehetra voafonja ao Ambatolampy. Notokanana ihany koa ny toeram-pilalaovam-baolina vaovaon’ny fonja. Izao hetsika izao Dia nentina nanamarihana hatrany ny Iray Volan’ny Ankizy izany, izay manan-jo hianatra sy hahazo fanabeazana ary hiala voly.

⭕Ho fanamafisana ny andry voalohany izay « Fanandratana ny maha olona » sy ho fanampiana an’ireo voafonja rehetra ao Ambatolampy amin’ny fiverenany eo amin’ny fiarahamonina ihany koa dia nanolotra fampitaovana hanampiana amin’ny fianaran’asa ny Ministry ny Fitsarana.

⭕Ho fanatanterahana indray ny andry fahatelo izay « Fanjakana tsara tantana » sy ho fanatsarana ny fitantanana eo anivon’ny fitsarana dia nanao dinik’asa niaraka tamin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Ambatolampy ihany koa ny Ministry ny Fitsarana mba hametrahana ny toromarika rehetra amin’ny fomba fiasa toy ny fangaharaharana amin’ny raharaham-pitsarana, ny fandraisana ny olona ary indrindra ny fanatanterahana ny fitsarana manakaiky vahoaka.

➡️Teo ihany koa ny fanomezana ny solosaina ho an’ny Fitsarana mba hanampiana amin’ny fanafainganana ny asa.

🎥 Horonan-tsary fohy: