Posted in Actualités

Fonjaben’Antanimora.

📌 Alakamisy 06 jona 2024, amin’izao iray volan’ny ankizy izao dia tsy nanadino ireo ankizy tsy ampy taona, mamita sazy, nefa manomana fanadinam- panjakana ao amin’ny fonjaben’Antanimora ihany koa ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.
Nanolotra akanjo mafana, fitaovana entina miatrika fanadinana, boky isan-karazany natao hifanabeazana.
📚 Mpianatra hiatrika fanadinana :
🎒 BEPC ——————– Iray (01)
💼 CEPE ——————– Folo (10)

Nandritra ny laha-tenin-dramatoa Minisitra no nanasongadinany fa anisan’ny zo fototra ho an’ny ankizy ny ahazo fanabeazana.

Posted in Actualités

Fitsidihana ny ankizy ao amin’ny « Les enfants du Soleil ».

📌 Alakamisy 6 jona 2024 Ao anatin’ny fankalazana ny « Iray Volan’ny Ankizy » dia nitohy tao amin’ny Akany « Les Enfants du Soleil » tao Itaosy ny hetsiky ny Ministeran’ny Fitsarana.

🎯 Ho fanandratana ny maha olona, izay andry voalohany napetraky ny Filoham-pirenena, izay tanterahina amin’ny alalan’ny fiarovana ny zon’ny ankizy, dia nanatontosa fampahafantarana lalàna sy nanao fanomezana tao amin’ny Akany « Les enfants du Soleil » Itaosy ny Ministera tarihin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

🛡️ Nohazavaina tamin’ireo ankizy tao amin’ity Akany ity ny antony nametrahana azy ireo tao, dia noho izy ireo misedra olana amin’ny resaka fianakaviana sy ny mahasamihafa azy ireo amin’ireo ankizy nampidirina am-ponja vonjimaika izay nandika lalàna. Nampahafantarina azy ireo ihany koa ny voka- dratsin’ny fikasihana zava-mahadomelina.

🔋 Ho fanampiana ny toe-piainan’izy ireo ao amin’ny Akany ihany koa dia nanolotra sinibe fanangonan- drano, vary amin’ny gony, menaka, savony, jogging ho azy ireo ary karazam-boky ny Minisitra.
Nampahafantarina an’ireo solotenan’ny Akanin’ankizy miisa 30 mahery, nanatrika ity hetsika ity ihany koa ny fisian’ny fifaninana an-tsary sy an-tsoratra karakarain’ny Ministeran’ny Fitsarana izay andraisin’ireo ankizy anjara ao anatin’ity fankalazana ity.

🌾 Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo tamin’ireo ankizy tao amin’ny Akany « Les enfants du Soleil ».