Posted in Autres Evenements

Amoron’i Mania.

📌 Taom-piotazan’ ny fitaleavam-paritry ny fandraharahana ny fonjan’ny Amoron’i Mania, nanomboka ny volana Mai:

🚜 Tobim-pamokarana miisa efatra (4):

🌾 Ihadilanana
🌾 Fandrina
🌾 Soavina
🌾 Ambatofinandrahana

📌Jardin pénal : Ankorombe
📊 Velaran-tany mirefy 21 Ha no nanombohana,
Ahitana:
➡️ Vary
➡️ Katsaka
➡️ Voamaina
➡️ Légume isankarazany
19T 214 no vokatra niakatra
🔋 Mahampy 03 volana voafonja miisa 490 amin’ny fonja rehetra ao Amoron’i Mania Volana Septambra ho avy izao no fiotazana manaraka, ahitana :
🌾 Mangahazo —– 43 Ha
🌾 Vomanga ———- 06 Ha

Eritreretina ahazoana vokatra 100T eo mahampy 12 volana ny fonjan’Amoron’i Mania ary afaka manampy fonja hafa.

Posted in Actualités

Hetsika kopia faobe tao amin’ny akany Akamasoa.

📌Natomboky ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ho an’ny ankizy teto amin’ny Akany Akamasoa Ambohimahitsy ny fankalazany ny Iray Volan’ny Ankizy 2024. Izany no natao dia mba hisitrahan’ireo ankizy izay tsy mbola manana kopia lava ny zo hanana anarana, izay zo fototra voalohany tokony ananan’ny olombelona ka ahatonga azy ho olom-pirenena vanona.
Ka ankizy miisa 700 no nisitraka izany didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana izany.

➡️Ity hetsika ity dia notarihan-dRamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, niaraka tamin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo sy ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely.

⭕Entina ho fanatanterahana ny Andry voalohany napetraky ny Filoham-pirenena ihany koa ity fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana ity dia ny « Fanandratana ny maha olona ».

🎯 🎥 Horonan-tsary fohy: