Posted in Actualités

Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo.

🇲🇬 Ho fanatsarana ny fitantanana ny Ratsam-pitsarana momba ny ady ifanaovan’ny mpiasa sy ny mpampiasa eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo sy ho fanafainganana ny fitsarana ny raharaha mandeha ao dia mikasa ny hanome fanohanana ity Ratsam-pitsarana ity ny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny Asa na « Organisation Internationale du Travail » mba hidirana ao anatin’ny Hay tao ara-kajy mirindra.
Tao anatin’izany indrindra dia nidina ifotony teo anivon’ity Ratsam-pitsarana ity ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Ministry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana miaraka amin’ny Talen’ny Vondrona Iraisam-pirenena momba ny Asa, Andriamatoa MUIA Frédérique, nijery ny fomba fitehirizana ny antontan-taratasin’ady.

🇲🇫 Dans le cadre du projet de digitalisation du Tribunal de Travail d’Antananarivo, l’Organisation Internationale du Travail (OIT) en tant que partenaire incontournable de la juridiction sociale, envisage de lui fournir un appui aux fins de mener le projet à bonne fin. Ainsi, une visite du Tribunal de Travail a été faite par le Ministre de la Justice Madame RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, représentant le gouvernement, et le Directeur de l’OIT Monsieur MUIA Frédérique, avec son équipe, dans le but de bien concrétiser le projet et d’effectuer un état des lieux notamment de l’archivage des dossiers contentieux.

Posted in Autres Evenements

Tobim-pamokarana Ambodivato.

📌 Zoma 31 mai 2024, nandritra ny fiakaram-bokatry ny « camp pénal » eto Moramanga, dia nijery ny fivoaran’ny asa mahakasika ny fanorenana ireo trano ho tobim-pamokarana, ao Ambodivato Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro ihany koa ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

🎯 Ho atao « camp pénal pilote » ity « camp pénal » Ambodivato, Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro ity 🎥 raha ny laha-teniny.