Posted in Autres Evenements

Toliara: Fampiofanana ny Mpitsara.

📌 Alarobia 22 hatramin’ny Zoma 24 may 2024, tao Toliara, no notontosaina ny fampiofanana ny Mpitsara mikasika ny lohahevitra «Ady amin’ny kolikoly sy amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny biby sy ny zavamaniry-dia» (Lutte contre la corruption et contre le trafic des espèces sauvages).

📚 Nokarakarain’ny Sekolim-Pirenena Mampiofana ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG).
Ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana Ambony ao Toliara, ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Toliara, Fianarantsoa, Ampanihy, Ambovombe Androy, Ankazoabo Sud ary ao Morombe no mpandray anjara nandritra io fiofanana io.

🎯 Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitsara amin’ny fanenjehana, ny famotorana ary ny fitsarana ny raharaha mikasika ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny biby sy zava-maniry-dia no tanjon’ity fampiofanana ity ka izany indrindra dia natao mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny asam-pitsarana.

🔖 Andiany faharoa ity notontosaina ity ary hisy andiany fahatelo sady farany mikasika io lohahevitra io ihany ka izany dia atao tsy ho ela.

🐼 Ity fampiofanana ity dia tontosa nohon’ny fanohanana ara-bola sy ara-teknikan’ny World Wildlife Fund (WWF) sy USAID.

Posted in Actualités

Fanolorana solosaina.

📌Zoma 24 mey 2024, ao anatin’ny ezaka fanomezana solosaina izay ataon’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nahazo anjara ihany koa ny teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana foibe sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Ambositra.

⭕Izao fanolorana izao dia entina hanampiana ny fampitaovana ireo mpiasa sy hanatsarana ny kalitaon’ny asa ho fanomezana fahafaham-po ny vahoaka manan-draharaha, izay tanjona tafiditra amin’ny fanamafisana ny Fanjakana tsara tantana. Izao koa no natao dia mba ho fintsinjovana ireo mpiasa.