Posted in Autres Evenements

Fampiofanana ny Mpitsara teto Antananarivo.

📌 Alarobia 15 hatramin’ny Zoma 17 mey 2024, teto Antananarivo, no notontosaina ny fampiofanana ny Mpitsara mikasika ny lohahevitra «Ady amin’ny kolikoly sy amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny biby sy ny zavamaniry-dia» (Lutte contre la corruption et contre le trafic des espèces sauvages).

📚 Fiofanana izay nokarakarain’ny Sekolim-Pirenena Mampiofana ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG).
Ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana Ambony eto Antananarivo, ao Toamasina ary ao Mahajanga ; ny Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Iadiana amin’ny kolikoly eto Antananarivo sy ao Mahajanga ; ny Mpitsara ao amin’ny Fitsarana manokana mikasika ny fanondranana ny bois de rose sy bois d’ébène ; ny Mpitsara ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, ao Toamasina, ao Mahajanga, ao Maroantsetra no mpandray anjara nandritra ny fiofanana.

🎯 Ny tanjon’ny fampiofanana ny ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitsara mikasika ny fanenjehana, ny famotorana ary ny fitsarana ny raharaha mikasika ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny biby sy zava-maniry-dia. Natao ihany koa ny fampiofanana mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny asam-pitsarana.

⏳ Andiany voalohany ity notontosaina ity fa mbola hisy fiofanana mikasika io lohahevitra io ihany amin’ny faritra hafa izay atao tsy ho ela.

🐼 Tontosa izao nohon’ny fanohanana ara-bola sy ara-teknikan’ny World Wildlife Fund (WWF) sy USAID.