Jour : 22 mars 2024
Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Antsirabe.
📌Zoma faha – 22 Marsa 2024.
Antsirabe, natolotra ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ny karatra fanarahan-draharaha » Carnet de Suivi ». Ny Talen’ny Kabinetra, Andriamatoa RARIVOJAONA Emile Andrianirina izay nisolontena ny Minisitry ny Fitsarana dia nanamafy fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politikam-panjakana amin’ny ady amin’ny kolikoky sy fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fampiasana ny karatra fanarahan-draharaha. Tanjona amin’izany ny fanamorana ny fanatonan’ny Vahoaka ny Fitsarana sy ny fanafoanana ny asan’ny Mpijirika.
✅Tsapan’ny Vahoaka ny fiovana fomba fiasa eo anivon’ny Fitsarana, ary nambaran’izy ireo fa tena manampy betsaka amin’ny olan’ny manan-draharaha ny fampiasana ny karatra fanarahan-draharaha.
⭕Taloha mantsy dia sarotra ho an’izy ireo ny manantona ny Fitsarana eto Antsirabe satria olona avy any ambanivohitra no betsaka manan-draharaha, ka sahirana amin’ny fakan-kevitra sy ny fanarahana ny raharahany.
Marihana fa efa nampiasa « Carnet » ihany ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antsirabe, saingy samy mitondra ny azy ny tsirairay ka mbola sarotra na ny famenoana izany aza. Ity karatra fanarahan-draharaha ity kosa dia mora hampiasaina ary manaraka ny fe-petra ara-tekinika mikasika ny zotram-pitsarana.
⭕Mialohan’ny nampiasana ny karatra fanarahan-draharaha dia nazavaina tamin’ny Mpiasan’ny Fitsarana eto Antsirabe ny fomba fampiasana azy sy ny voarakitra ao anatiny. Nitondra ny fanazavana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitry ny Fitsarana sy ny Talen’ny firaketan-draharaha, notronon’ny Filohan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antsirabe.
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/432783517_765803748978033_5611232082700108324_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/432768160_765803905644684_1014389589333796267_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/434153719_765822982309443_1644574274422237160_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/434170754_765804612311280_5217013980955201987_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/432777776_765803978978010_9174069976158932106_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/432777763_765814802310261_2899393713698787409_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/434179040_765804432311298_1609641059373642335_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/434192793_765804135644661_8705241106843263216_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/434194792_765804055644669_6900120938548197910_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/432729549_765804518977956_1094809531475978415_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/434209778_765804718977936_4870147813054278573_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/432754665_765804225644652_7394989422115026450_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/434204324_765803855644689_4262834908615117234_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/03/432717028_765804332311308_112614521022436956_n.jpg)