Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

📌Alatsinainy, faha – 04 Martsa 2024.
Teto amin’ny Foiben’ny Minisiteran’ny Fitsarana, teto Faravohitra, no natao ny fananganan-tsaina. Nandritra izany no manariparitan’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny paik’ady ho entina manamafy ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana.

➡️Nambarany fa tsy maintsy atao ny fanaraha-maso mba hiantohana ny fanjakana tsara tantana, ho fanamafisana ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra amin’ny fitantanana . Torak’izany ihany koa ny fanatsara ny kalitaon’ny tolotra omena ny olom-pirenena, anatin’izany ny famokarana ny tranokala « Fitsarana Valio ny tarainako », izay fantsona mivantana hanehoana ny ahiahiny sy hahazoana valiny haingana sy mahomby. Mikasika ny fanatsarana ny kalitao sy ny fomba fiasa dia nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fametrahana politika sy fomba fiasa mahomby hiantohana ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny vahoaka. Ankoatra izany dia hampiharina ny politika famaizana mikendry ny hanamafisana ny ady amin’ny asan-jiolahy sy ny fiarovana ny vahoaka.

⭕Nasehon’ny minisitra ihany koa ny ezaka vita nandritra ny telo volana voalohany. Ao anatin’ny 3 volana manaraka kosa ny fanamafisana ny fahaiza-manao, indrindra amin’ny alalan’ny fandaharan’asa entina hanatsarana ny kalitaon’ny asa hatolotra ny olom-pirenena. Notsindriany ny maha zava-dehibe ny « etika » sy ny fitondran-tena matihanina eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, ary nohamafisiny ny tokony hanajana ny fitsipiky ny fahadiovana, ny mangarahara ary ny tamberin’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny asa.

⭕ Teo am-pamaranana dia nambarany ny fepetra hentitra sy ny sazy ho an’ireo mpanolana, fepetra natao hampiharina avy hatrany mba hiadiana amin’ity heloka be vava ho fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy.

Posted in Autres Evenements

Fonjan’i Vatomandry.

📌Sabotsy, faha 02 Martsa 2024.

Teto amin’ny Fonjan’i Vatomandry, nanome toromarika ny tompon’andraikitra ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny amin’ny tsy maintsy hanamafisana ny fanofanana arak’asa ho an’ny Voafonja. Nambarany fa ilaina ny manokatra fiaraha-miasa amin’ny sehatra matianina mikasika ny fanofanana ka hampifandraisina amin’ny asa fiariana ilain’ny Mponina eo anivon’ny faritra ny taranja hanofanana. Io paikady io dia ao anatin’ny fanomanana ireo Voafonja mba hanana ny anton’ asany rehefa mahavita ny sazy ka hiverina eny anivon’ny Fiarahamonina.

⭕Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny teboka lehibe mamaritra ny politikam-pampandrosoana napetraky ny Filoham-pirenena, dia ny fanomezana lanja ny maha-olona ho loharanon-karena, sy ny fanjakana tsara tantana. Nanentana ireo Voafonja ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, mba hazoto ary handray anjara amin’izany fiofanana izany.

⭕Ankoatr’izay dia mbola nanamafy ny fanazavana ny politikan’ny Minisitera amin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana ny Minisitra. Efa nahitam-bokany izany tamin’ny taona 2023 ka tsy maintsy tohizana.
Raha ny eto amin’ny Fonjan’i Vatomandry, 23 no isan’ny Zaza tsy ampy taona ary 23 no isan’ny Vehivavy.

Posted in Autres Evenements

KOMISIONA MISAHANA NY FANARAHA-MASO NY FAMATSIAM-BOLAN’NY FIAINANA ARA-POLITIKA.

📌 Zoma 01 Martsa 2023, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, notanterahana ny famindram-pahefana teo anivon’ny Vaomiera misahana ny fanaraha-mason’ny famatsiam-bola ho an’ny fiainana ara-politika.

🗓️ Tapitra ny dimy taona, fotoam-piasan’ny teo aloha, ary nandray ny fitantanana ny Mpikambana vaovao.

📈 Nandritra ny famindram-pahefana, namariparitra ny asa vita tao anatin’izany fotoam-piasana izany ny Filoha teo aloha, ary nirary taom-piasana tsara kokoa ho an’ny Mpikambana vaovao.

Posted in Actualités

Famokarana eny anivon’ny fonja.

📌Zoma , 01 Marsa 2024 sy Sabotsy, faha- 02 Marsa 2024.
Nijery ny fivoaran’ny asa teo anivon’ny Toby famokaran’ny Voafonja  » Camp Pénal » Moramanga sy Vatomandry ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

☑️Namokatra ny Voafonja ary tratra ny tanjona napetraka satria nasahana ny sakafon’ny Voafonja ny vokatra niakatra, ary nahavitana namaha ny olan’ ny tsy fahampian-tsakafo  » malnutrition » eo anivon’ny Fonja, na ho an’i Moramanga sy Ambatondrazaka, na ho an’i Vatomandry sy Toamasina.
Ho an’ny « Camp Pénal » eto Ampanifana, Fokontany Antsirinala Moramanga, mangahazo karazany roa no novolena tamin’ny alalan’ny fampiasana teknika vaovao ary masomboly voafantina no nampiasaina.

➡️Velaran-tany 4ha no norakofana mangahazo vokatra ao anatin’ny enim-bolana (6 mois). Mangahazo 400 fototra kosa no novolena ho an’ny vokatra herintaona sy tapany. Ity mangahazo vokatra herintaona sy tapany ity dia hitarina amin’ny velaran-tany mirefy 1ha ka hahazoana 1600 fototra eo ho eo.
Tanimbary mirefy 2ha ihany koa no efa voavoly ary ankoatr’ireo dia namokatra pastèque, mananasy, voatavo ary voanjobory.

⭕Ny Voafonja miisa 1600 amin’ny fonja’ Ambatondrazaka sy Moramanga dia efa nanjifa ny sakafo novokarina teo anivon’ny « Camp Pénal » tamin’ny taona 2023, ary nahasahana azy ireo izany.
Ho an’ny « Camp Pénal » eto Tsaratanana Vatomandry, tany mirefy 52 ha no novolena tao anatin’ny taom-pambolena mivelatra (grande saison), hahitana Vary 6ha, Katsaka 6ha, Mangahazo 40ha.

⭕Ankoatr’ireo vokatra handrasana dia nahavita nisahana ny sakafon’ny Voafonja eto Vatomandry sy Toamasina ny famokarana natao tamin’ny taona 2023. Nampiavaka an’i Tsaratanana ny famokarana Vomanga karaoty, izay hahitana singa marobe ahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ( malnutrition) ary nahitam-pahombiazana ny fihinanan’ny Voafonja izany. Manana dobo fiompiana trondro ihany koa ny « Camp Pénal » Tsaratanana Vatomandry.

⭕Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nanamafy fa tsy maintsy hitarina ny velaran-tany azo volena eny anivon’ny « Camp Pénal », tanjona mantsy ny fahavitan-tena ara-tsakafo tanteraka eny anivon’ny Fonja, ny fanafoanana ny tsy fahampian-tsakafon’ ny Voafonja ary hahazoana mamatsy ny Fonja hafa.

✅Izany rehetra izany dia tafiditra ao anatin’ny fanajana ny zon ‘olombelona sy ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana.