Jour : 22 février 2024
Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny UNFPA.
📌Alakamisy faha 22 Febroary 2024. Tonga teto amin’ny Foiben’ny Minisiteran’ny Fitsarana eto Faravohitra Ramatoa Josiane Yaguibou, solontenan’ny UNFPA, nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Fitsidihana ara-pomba fanajana niarahabany ny Minisitra nohon’ny fanendrena azy hitantana ny Minisiteran’ny Fitsarana indray.
⭕Noresahina nandritra izany ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny UNFPA indrindra ny momba ny fahasalamana ara-pananahana, ny zon’ny vehivavy sy ny tanora, ary ny lohahevitra samihafa. Nankasitrahan’ny UNFPA mantsy ny ezaka vitan’ny Minisiteran’ny Fitsarana, toy ny fanamafisana ny fiarovana ny zon’ olombelona amin’ny alalan’ireny lalàna maro nasiam-panavaozana ireo. Ao anatin’izany ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha – lahy na maha – vavy, ny lalàna vaovao mikasika ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Nifanaiky ny roa tonta fa hamafisina ny fiaraha-miasa mba tena fahitan’ny Vahoaka tombontsoa ireo ezaka vita ireo.
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/02/428653375_750854400472968_5044612275764338062_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/02/428627421_750854557139619_1378122599670997110_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/02/428703903_750854503806291_3803619440731459161_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/02/428646913_750854610472947_2973889360291963444_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/02/428613608_750854633806278_3007443598238164261_n.jpg)