Jour : 2 février 2024
Raharaha Mbola RAJAONAH.
⚖️ RAHARAHA MBOLA RAJAONAH: NANDRAY NY FITARAINAN’NY MPISOLOVAVAN’NY VOAPANGA NY TENDROM-PITSARANA MIADY AMIN’NY KOLIKOKY, NANDINIKA SY NAMPITAHA NY ANTOTAN-TARATASY REHETRA NY LEHIBEN’NY FITSARANA ISAN-TOKONY, IZAY VAO NANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA.
🎥 Mitondra fanazavana ny Tonia Mpampanoa ambony eo anivon’ny PAC, Ramatoa Rasoahanta Elysée.
Lalàna laharana 002/2024/PL.
📌Zoma faha 02 Febroary 2024, teto amin’ny Antenimierampirenena eto Tsimbazaza. Nitondra fanazavana mikasika ny volavolan-dalàna laharana faha-002/2024/PL, tamin’ny 24 janoary 2024 ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Io volavolan-dalana io dia mameno sy manova ny andininy sasantsasany ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana Malagasy.
➡️ Ny sazy ho an’ny olona manao fanolanana no tena nifotorana.
Isan’ny fanovana nentina tamin’izany ny fampidirana ny « castration », ho isan’ny sazy ho an’ireo izay manolana Zaza tsy ampy taona.
Misy karazany 2 ny « castration » dia ny « castration chimique » sy ny » castration chirurgicale » ka miankina amin’ny vesatry ny heloka vitan’ny voapanga ny saziny.
⭕Lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena io volavolan-dalana io.
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/02/425490756_739292281629180_933908503571830617_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/02/424656778_739292388295836_1812360606346590776_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/02/425519259_739292574962484_7942348435568475392_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2024/02/425508196_739292481629160_3700750559435872088_n.jpg)
📌Mitondra fanazavana nandritra ny fiaonana tamin’ireo mpanao gazety ny Mpitahiry Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, R/toa. RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.