Posted in Actualités

Fambolen-kazo taona 2024

📌Zoma 09 Febroary 2024, teto Tsiafahy no nanatanteraka fambolen-kazo ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany ny Mpitahiry ny Fitmbokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana izay nampita hafatra ho an’ny tompon’andraikitra mba hanara-maso sy hikarakara ny zanakazo novolena. Nambarany fa sady famerenana ny tontolo iainana ho tsara sady loharanon-karena ny fambolen-kazo. Tany mirefy 1ha no novolena, zanakazo miisa 2000 ( roa arivo) no natsatoka ka voankazo ny 100, kininina ny 1.000 ary acacia ny 900.

⭕Teny nentina nanatanteraka ity fambolen-kazo ity ny hoe: « Fambolen-kazo manarina tontolo,manatsara famokarana, mamela lova ho any taranaka ». Nampahafatarina nandritra io fotoana io ihany koa ny antotanisan’ny hazo naniry nandritra ny taona 2022 ka nahatratra 80 isan-jato izany.

Posted in Autres Evenements

Raharaham-pitsarana.

⚖️RAHARAHAM-PITSARANA : NOHAMAFISINA NY FAHAIZA-MANAO MIKASIKA NY RAHARAHA SIVILY SY ARA-BAROTRA HO AN’NY MPITSARA SY MPIRAKI-DRAHARAHA ETO ANTANANARIVO

📌Ny 6 ka hatramin’ny 9 febroary 2024, dia nisy fiofanana izay nokarakarain’ny Sekoly Nasionalin’ny Mpampiofana Mpitsara sy Mpirakidraharaha (ENMG) tao Tsaralalana. Natao ho an’ny Mpitsara sy Lehiben’ny mpiraki-draharaha ary ny mpiraki-draharaha ao amin’ny Fitsarana Ambony sy ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo ity fiofanana ity izay niompana tamin’ny raharaha sivily sy ara-barotra. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara amin’ny fikirakirana sy ny fitantanana ny raharaha amin’ireo sehatra ireo. Anisan’ny lohahevitra nodinihina ihany koa ny ady tany sy ny varotra, ny lalàna momba ny ranomasina, ny andraikitry ny lehiben’ny rejisitra sy ny mpiraki-draharaha eo amin’ny fitsarana, ary ny kaonty rejisitra.

⭕Ny tanjona ankapobeny dia ny fanatsarana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny kalitaon’ny fanapahan-kevitra amin’ny raharaha sivily sy ara-barotra.
Ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) ao anatin’ny fandaharan’asa “RINDRA” no nanoana izao fiofanana izao.

Posted in Autres Evenements

Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo.

⚖️ CASIER JUDICIAIRE : AFAKA MANGATAKA FOTOANA MIALOHA IZAY TSY AFAKA MILAHATRA, AMIN’NY ALALAN’NY « FINDAY » FITONDRA NO HANAOVANA IZANY ARY EFA MISY NY ROHI-PIFANDRAISANA.

🎥 Mitondra fanazavana ny Lehiben’ny Firaketan-draharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Anosy Antananarivo.

Posted in Actualités

Fihaonan’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana sy ny talen’ny AFD.

📌Alakamisy faha 08 Febroary 2024, teto amin’ny Foiben’ny Minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra. Nihaona ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana sy ny Talen’ny AFD ( Agence Française de Développement) Yves GUIQUERO.

⭕Ny AFD dia namatsy vola mitentina 10 tapitrisa Euros ho an’ny tetikasa PAJMA sy ny Fandaharanasa FANARENANA eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nahafapo ny fiaraha-miasa ka ny Volana Novambra 2023 dia nisy ny fitsirihana ny tetikasa vaovao iarahany amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Ity fihaonana ity dia nanolorana ny vokatr’izany fitsirihana izany ary nifanakalozan-kevitra mikasika ny fanohizana ny tetikasa roa teo aloha.

➡️Vola mitentina 5 tapitrisa Euros no hamatsian’ny AFD ny tetikasa PAJMA, ho fanohanana ny Minisitera amin’ny fametrahana ny Fitsarana tsy mitanila, tsara tantana, manakaiky Vahoaka. Izany dia tafiditra ao anatin’ny tany tan-dalana.

⭐Nanatrika ity fihaonana ity ny Mpandrindra ny tetikasa PAJMA eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, ANDRIANTSOAMANALINA Eric.

Posted in Actualités

Fonjaben’ny Tsiafahy.

📌 Ny Talata 6 Febroary 2024, tamin’ny 11Ora alina, tonga tampoka teto amin’ny Fonjaben’ny Tsiafahy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nijery ny rezisitra ary nanisa ireo Voafonja. Ny Alarobia 7 Febroary, nanohy ny asa ireo tompon’andraikitra isan-tokony eo anivon’ny Fitsarana, nampitovy ny isa eo ampelatanan’ny Fitsarana sy ny rezisitra ao Tsiafahy, ary nanadihady mikasika ny momba ny Voafonja tsirairay.

Izany dia ho fanohizana ny fampiharana ny « Politique pénal », izay efa nahitam-pahombiazana teo anivon’ny Fonjan’Antanimora, ary fanamafisana ny fampanarahan-dalàna amin’ny fitantanana ny Fonja mba hialana amin’izay mety ho gaboraraka.
Raha ny eto Tsiafahy, nanamafy ny solotenan’ny Voafonja fa nisy fiovana ny fomba fitantanana azy ireo. Izany dia manaraka ny Politika an-kapobeny napetraky ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsarana, mikasika ny fanajàna ny zon’olombelona.
Nanamafy ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fa tsy ny Fonjan’ Antanimora sy ny Fonjan’i Tsiafahy ihany no hanaovana ny fidinana ifotony tampoka toy izao.