Posted in Autres Evenements

FANOLANANA : BETSAKA IREO MITONDRA NY RAHARAHA EO ANATREHAN’NY FAMPANOAVANA.

📊 Raha mahakasika ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antananarivo manokana dia miisa 515 ny fiakarana teo anatrehan’ny fampanoavana mikasika fanolanana ny taona 2023 lasa teo iny. Ho an’ny fiandohan’ny taona 2024 kosa dia miisa 18 izany, ka ny 02 tamin’ireo mpanolana dia tsy ampy taona. 17 taona ny iray izay nanolana ankizivavy 9 taona ; ary 14 taona kosa ny iray izay nanolana zaza 5 taona ka efa samy nalefa eny amin’ny mpitsara mitsara ny zaza tsy ampy taona avokoa.

📌 Anio, 11 janoary 2024 indray, dia lehilahy 02, izay voarohirohy ho nanolana zazavavy latsaky ny 15 taona no nentina teo anatrehan’ny fampanoavana.

📎 24 taona ny iray amin’ireo lehilahy izay nanolana zazavavy 13 taona. Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny Mpampanoa Lalàna dia hitany nirenireny teny amoron-dàlana teny Antohomadinika ity zazavavy kely ity ary nentiny nody tany an-tranony ny alin’ny 08 janoary lasa teo. Nalefa eny amin’ny ivon-toerana « AVOKO » Ambohidratrimo ity zazavavy ity noho izy tsy manana fianakaviana.

📎 19 taona kosa ny iray izay voarohirohy ho nanolana zazavavikely 12 taona teny Saropody Tanjombato tamin’ny taona 2023 lasa teo iny. Nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ny zaza rehefa nitaraina izy.

📌 Tsiahivina ihany fa ao anatin’ny 10 taona, dia mbola azo henjehina ny tranga heloka bevava.

📌 Mitovy ny sazy miandry ny mpanolana sy ny nanandrana izany araka ny voalazan’ny andininy 332 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana izay samy asa an-terivozona.

⚓️ Mitaky ny famonjàna ireo lehilahy ireo any amin’ny Fonjaben’ny Tsiafahy ny fampanoavana ary tsy handefitra amin’ny mety ho fangatahana fahafahana vonjy maika araka ny nambaran’ny Tonia Mpampanoa Lalànan’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany, Rakotoniaina Narindra Navalona.

Posted in Autres Evenements

Fanolanana zaza tsy ampy taona: Ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’ny famaizana sy fanasaziana.

🎥 Fanazavana nentin-dRamatoa RANDRIANARISOA Salohy Norotiana, Tale Jeneraly misahana ny Raharaham-pitsarana, ny Fandinihana sy ny Fanavaozana eto anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana.

Manasa anao ary hanaraka izany

Posted in Autres Evenements

FANOLANANA ZAZA TSY AMPY TAONA : LEHILAHY ROA NO NAMPIDIRINA AM-PONJA ENY TSIAFAHY.

📌 Noho ny tranga fanolanana tena nirongatra tatoato dia nitondra fanazavana ihany koa ny Tonia Mpampanoa Lalàna ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Ramatoa RAKOTONIAINA Narindra Navalona.

🎥 Manasa anao ary hanaraka izany.

Posted in Actualités

NIARAHABA NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA, NOHON’NY FAHATRATRARANA NY TAONA VAOVAO NY MPIARA-MIASA.

Teto amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, niarahaba ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana nohon’ny fahatratrarana ny taona vaovao ny Fianakaviamben’ny Minisitera sy ny Fianakaviamben’ny Fitsarana..
Nitondra ny teny firariantsoa ny Filoha Voalohany eo anivon’ny Fitsarana Tampony PPCS, RAKOTONAVALONA RANARY Robertson.

⭕Namintina ny asa vita tamin’ny taon-dasa, izay azo lazaina fa nisongadina tokoa raha ny fanavaozana natao tamin’ny tontolon’ny Fitsarana sy Fitantanana ny Fonja, niainga tamin’ny soridalana nofaritana hitantanana ny Minisitera.
Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nilaza fa na miova aza ny taona, ny adidy sy andraikitra mitohy ary hamafisina ny ezaka satria maro ny asa mbola miandry toy ny fanatevenana ny ady amin’ny kolikoky, hisy fepetra maro ho raisina amin’ ny fanatanterahana izany, hamafisina ihany koa ny Fanjakana tsara tantana, ary hampiasaina ny teknokojia vaovao amin’ny fampiharana izany.