Posted in Autres Evenements

RAFANOHARANA PAUL MAILLOT: MBOLA MAMITA SAZY AO AMIN’NY FONJAN’I TSIAFAHY.

📌Ny Alatsinainy faha 04 Desambra 2023, dia tsy maintsy nentina nanao fizaham-pahasalamana teo anivon’ny Centre IMM sy ny Clinique Reine Marie Andriamatoa RAFANOHARANA Paul Maillot. Teo anelanelan’ny tamin’ny 8 Ora sy sasany maraina, hatramin’ny 3 Ora sy sasany hariva no nanaovany ny « scanner cérébral, ECG, TDM, ORL, Bilan sanguin ». Izany dia vokatry ny fahitan’ny Mpitsabo eo anivon’ny Fonjan’i Tsiafahy, fa marary io Voafonja io ary nanana olana ara-pahasalamana, nanomboka tamin’ny faha-19 Novambra 2023.

➡️Raha ny lalàna tokoa mantsy dia manome zo ny Voafonja tsirairay ho tsaboina rehefa mandalo tsy fahasalamana. Izany rahateo dia tafiditra ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona. Ny andron’io nanaovana ny fitsirihana io ihany dia naverina mamita sazy ao amin’ny Fonjan’i Tsiafahy i RAFANOHARANA Paul Maillot, ka ny Mpitsabo ao no manohy ny fitsaboana azy.