Jour : 6 décembre 2023
CAMP PENAL : Amoron’i Mania.
⚖️AMORON’I MANIA: NAHAZO MASOMBOLY SY TRACTEUR NY TOBY FAMOKARAN’NY VOAFONJA (CAMP PENAL), NANDRAY IZANY NY TALEM-PARITRY NY FANDRAHARAHANA NY FONJA.
📌Alarobia faha-6 Desambra 2023, Nahazo masomboly sy fitaovana ny Toby famokaran’ny VOAFONJA ( Camp Pénal) ao Ihadilanana Ambositra.
Izany dia fanatanterahana ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
⭐Nitarika ny lanonam-panolorana izany ny Goverinoran’ny Faritra Amoron’i Mania, notronon’ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana, nandray kosa ny Talem-paritry ny Fandraharahana ny Fonja, ny Inspecteur d’Administration Pénitentiaire Razafimahafaly Angelot.
➡️Natolotra nandritra izany ny Tracteur avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, masomboly milanja 2,765 t ahitana vary antanety, katsaka, Tsaramaso, voanjo, soja, taho-mangahazo, zezika biolojika 07, 900 t.
⭕Marihina fa ao anatin’ny Politikam-pitantanana vaovao napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny famerenana ny fampiroboroboana ny famokarana eny anivon’ny « Camp Pénal » mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny Voafonja, mba ho fanenana ny vola mivoaka amin’ny Fanjakana mikasika izany.
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/12/406845568_707036034854805_8309229334637770705_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/12/406387287_707036098188132_2914521364275487151_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/12/408513410_707035864854822_7535087981081419285_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/12/406798427_707036268188115_180214367654435065_n.jpg)
![](http://www.justice.mg/wp-content/uploads/2023/12/406756896_707036131521462_5761376562795400527_n.jpg)