Posted in Actualités

Fananganan-tsaina.

TAO AMIN’NY TONKOTANY MALALAKY NY FITSARANA TAMPONY NO NANAOVANA NY FANANGANAN-TSAINA. NITARIKA IZANY NY MINISTRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

📌 Alatsinainy faha-4 Desambra 2023, teto amin’ny Fitsarana Tampony Anosy no notanterahana ny fananganan-tsaina niarahan’ny Fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ka taorian’ny fiarahabany ny Mpiara-miasa niatrika ity fanomezam-boninahitra ny Firenena ity dia namelabelatra ireo asa vita nandritry ity taona ity. Tao anatin’izany ny fametrahana ny « politique pénal », ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana ady heloka sy ady tany, ny fametrahana ny fomba fitantanana vaovao ny « Camp Pénal », ny fanapariahana ny lalana tamin’ny alalan’ny Fiara Zo, izay nitetezana Faritra, ny fiaraha-miasa tamin’ny haino aman-jery sy ny Gazety an-tsoratra. Nisongadina ihany koa ny fanokafana Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Ste Marie sy Ambilobe, ho fanatanterahana ny vina: Fitsarana manakaiky vahoaka, indrindra ny fandraisan’andraikitry ny Mpitsara tamin’ny nahatontosana ny fifidianana tamin’ny alalan’ny asa natao teny anivon’ny SRMV.

⭕ Nanamafy ny tenany fa betsaka ny tokony mbola hatsaraina amin’ny fomba fiasa ka izany no nanentanany ny Mpiasa rehetra hamita tanteraka ny asa mba tsy hisian’ny vary mangatsiaka amin’ny taona ho avy.

⭕ Ity no fananganan-tsaina farany amin’ny taona 2023, ary afaka andro vitsy dia hiditra amin’ny Fotoana Fialan-tsasatra (vacances judiciaires) ny Fitsarana.

Posted in Actualités

CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature).

CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature): MAMARANA NY FOTOAM-PIASANA, MITARIKA NY FIVORIANA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISTRY NY FITSARANA.

📌Alatsinainy faha 4 Desambra 2023, eto amin’ny Biraon’ny CSM ( Conseil Supérieur de la Magistrature) eto Tsaralalana, manatanteraka fivoriana ny Mpikambana. Mitarika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, izay Filoha Lefitry ny CSM.

➡Fivoriana farany ho an’ny CSM amin’ity taona ity sady famaranana ny fotoam-piasan’ireto Mpikambana ireto izao tanterahana izao ka sady nisaotra azy ireo tamin’ny asa vita ny Minisitry ny Fitsarana no nitondra sosokevitra amin’ireo zava-dehibe tokony mbola handraisana fanapahan-kevitra mandritra ity fivoriana farany ity. Ny Talata faha-5 ny Volana Desambra 2023 mantsy no hanaovana ny famindram-pahefana amin’ireo Mpikambana vaovao handrafitra ny CSM, amin’ny fotoam-piasana manaraka.