Posted in Actualités

FIANIHANAN’NY FILOHAN’NY REPOBLIKA.

NAMETRAKA NY TOMBOKASEM-PANJAKANA NY MPITAHIRY NY FITOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.

📌 Sabotsy faha – 16 Desambra 2023, teto Mahamasina. Natao ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny Fianihanan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, izay voafidy tamin’ny latsabato natao ny 16 Novambra 2023.Voapetraka tamin’ny fintanana an-tsoratra, mirakitra izany ny Tombokasem-panjakana. Ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana no nametraka izany, araka ny voarakitry ny Lalam-panorenana.

Posted in Actualités

Antanimieram-pirenena.

ANTENIMIERAM-PIRENENA : LANY TSY NISY NITSIPAKA NY VOLAVOLAN-DALANA LAHARANA 022/2023, MIKASIKA NY FAMOTSIAM-BOLA SY FAMATSIAM-BOLA NY ASA FAMPIHOROHOROANA. NISAOTRA NY SOLOMBAVAMBAHOAKA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA.

📌Alarobia faha – 13 Desambra 2023, teto amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena eto Tsimbazaza. Niatrika ny Solombavambahoaka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, nitondra ny fanazavana ara-politika, ara-tekinika ary ara-tsosialy ny antony nitondrana fanovana sy famenoana ny andininy sasantsasany tamin’ny lalàna laharana 2018-043 tamin’ny 13 Febroary 2019, mikasika ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Izany dia nialohavan’ny tatitra nataon’ny Mpampakan-teny eo anivon’ny Vaomieran’ny lalàna eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, narahin’ny fanazavana ny fomba fiasa tamin’ny fandinihana ny fanitsiana sy ny fanovana, izay nataon’ny Filohan’ny Vaomieran’ny lalàna.

📎 Taorian’ny tsangan-tanana amin’ny isan’andininy sy ny fandaniana amin’ny ankapobeny dia lany tsy nisy nitsipaka ny Volavolan-dalana laharana 022/2023 tamin’ny 04 Oktobra 2023 mikasika ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana izay manova sy mameno ny andininy sasantsasany tamin’ny lalàna teo aloha mikasika izany.
Misy andininy 22 ity lalàna vaovao ity ary 3 ny andininy vaovao nampidirana ao anatiny.
Taorian’izay dia nisaotra ny Solombavambahoaka ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, nohon’ny fahatsapan’izy ireo ny maha-zavadehibe ny sokajin-dalana toy ity vao nolaniana ity.

Posted in Autres Evenements

FAMPIOFANANA NOKARAKARAIN’NY ENMG.

FAMPIOFANANA NOKARAKARAIN’NY SEKOLIM-PIRENENA MAMPIOFANA NY MPITSARA SY NY MPIRAKI-DRAHARAHA (ENMG) HO AN’NY MPIASAN’NY SAMPAN-DRAHARAHA MISAHANA NY FANARAHA-MASO NY FIAROVANA NY SAKAFO SY NY KALITAONY AO AMIN’NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA, MIKASIKA NY LOHAHEVITRA HOE “NY INSPEKTERAN’NY FITSIRIHANA ARA-TSAKAFO AMIN’NY MAHA-MPIKAROKA FANDIKAN-DALANA AZY IREO”.

📌 Ny alatsinainy 11 desambra ka hatramin’ny zoma 15 desambra 2023, dia nisy fiofanana natao teto Antananarivo ho tombontsoan’ny mpiasan’ny Sampandraharaha misahana ny Fanaraha-maso ny Fiarovana ny sakafo sy ny Kalitaony. Ny Sekolim-pirenena Mampiofana ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG) eto Tsaralalàna no nikarakara izany fampiofanana izany, izay nitondra ny lohahevitra hoe : « Ny Inspekteran’ny fitsirihana ara-tsakafo amin’ny maha-mpikaroka fandikan-dalàna azy ireo. »

➡ Ity fampiofanana ity dia niarahan’ny ENMG niasa tamin’ny Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka ary nahatratra an-jatony ny mpandray anjara tamin’izany. Nanamarika ny lanonana fanokafana sy famaranana, ny fandraisan’anjaran’ireo manam-pahefana maromaro.
Tamin’ny lanonana fanokafana, i Ramatoa RAKOTONDRAJERY R. Salohy, Tale Jeneraly misahana ny Raharaham-pitsarana, ny Fandinihana sy ny Fanavaozana (DGAJER), izay nisolo tena an’i Ramatoa Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana ary i Ramatoa Lethicia Lydia YASMINE, Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia samy nandray anjara fitenenana tamin’ny fanaovana lahateny. Ary nanome voninahitra ny lanonana famaranana kosa ny fanatrehan’Andriamatoa RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy Atoa RAVELOSON Aimé Gilbert, Tale Jeneralin’ny Fandaharan’asa sy ny Fampitaovana (DGPR) izay nisolo tena an’i Ramatoa Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.
Nampisy lanja ity fampiofanana ity tokoa ny fahatongavan’ireto olona ambony manankaja ireto.

⭕Ny tanjon’ity fampiofanana ity dia ny nanomezana ny fahalalana izay ilain’ireto mpiasan’ny Sampandraharaha misahana ny Fanaraha-maso ny Fiarovana ny sakafo sy ny Kalitaony ireto, izay mikasika manokana ny maha-mpikaroka fandikan-dalàna an’ireo Inspekteran’ny fitsirihana ara-tsakafo. Novelabelarina tamin’izany ny lalàna mifehy ny paik’ady heloka, ny fandrafetana sy ny fitahirizana ny tatitra, ny fanaovana fanadihadiana eny ifotony, ny fifandraisan’ny Mpikaroka fandikan-dalàna amin’ny mpiasan’ny Fitsarana.

➡Araka ny didim-panjakana laharana faha 2020-208 tamin’ny 26 febroary 2020, mandrindra ny fandaminana eo anivon’ny Sekolim-pirenena Mampiofana ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha (ENMG), ity farany dia afaka manome fiofanana ho an’ireo fikambanana na fanjakana na tsy miankina, raha mangataka izany izy ireo.

————————————————-

⚖FORMATION ORGANISEE PAR L’ECOLE NATIONALE DE LA MAGISTRATURE ET DES GREFFES (ENMG) DE MADAGASCAR A L’ENDROIT DES AGENTS DE L’AGENCE DE CONTROLE DE LA SECURITE ET DE LA QUALITE DES DENREES ALIMENTAIRES DU MINISTERE DE LA SANTE, PORTANT SUR LA THEMATIQUE « LES INSPECTEURS DES DENREES ALIMENTAIRES EN LEUR QUALITE D’OFFICIER DE LA POLICE JUDICIAIRE ».

📌 Du lundi 11 décembre au vendredi 15 décembre 2023, à Antananarivo, s’est tenue une session de formation au profit des agents de l’Agence de Contrôle de la Sécurité et de la Qualité des Denrées Alimentaires. Organisée par l’Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes (ENMG), ladite formation avait pour thème : « Les inspecteurs des denrées alimentaires en leur qualité d’Officier de la Police Judiciaire ».

➡En collaboration avec le Ministère de la Santé, la formation qui s’est tenue dans l’enceinte même de l’ENMG, a accueilli une centaine de participants. Les cérémonies d’ouverture et de clôture ont été marquées par la participation de plusieurs autorités distinguées. A la cérémonie d’ouverture, Madame RAKOTONDRAJERY R. Salohy, Directeur Général des Affaires Judiciaires, des Etudes et des Réformes (DGAJER) représentant Madame le Garde des Sceaux, Ministre de la Justice ainsi que Madame Lethicia Lydia YASMINE, Secrétaire Général du Ministère de la Santé Publique, ont prononcé chacune leur discours. Et, la cérémonie de clôture a été honorée par la présence de Monsieur RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, Ministre de la Santé Publique ainsi que celle de Monsieur RAVELOSON Aimé Gilbert, Directeur Général de la Programmation et des Ressources (DGPR) qui a représenté Madame le Garde des Sceaux, Ministre de la Justice.
La venue de ces hautes personnalités a grandement enrichi l’évènement.

⭕L’objectif principal de cette formation a été de doter les futurs inspecteurs des denrées alimentaires de toutes les connaissances juridiques et techniques relatives à la fonction d’officier de la police judiciaire. Ont été notamment abordés : l’initiation au droit et à la procédure pénale, l’établissement et la tenue des procès-verbaux, la pratique d’enquête sur terrain, la relation des officiers de la police judiciaire avec le personnel de la justice.

➡En vertu du décret n°2020-208 du 26 février 2020 portant réorganisation de l’Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes (ENMG), cette dernière est habilitée à dispenser des formations sur demande de tout organisme, qu’il soit public ou privé.

Posted in Actualités

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZON’OLOMBELONA.

⚖️10 Desambra 2023, Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olommbelona.

Ao anatin’izao andro iraisam-pirenena fankalazana ny zon’olombelona izao dia mitondra hafatra ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Posted in Actualités

FONJAN’I FARAFANGANA.

⚖️NIJERY NY FIAINAN’NY VOAFONJA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA, ARY NANOLOTRA FAMPITAOVANA SY SAKAFO.

📌Sabotsy faha-9 Desambra 2023, nitsidika ny Voafonja teto Farafangana ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nahatsikaritra izy fa maro ny zavatra efa tranainy ka mila fanamboarana. Anatin’izany ny toerana misy ireo tsy ampy taona.

⭕Tao anatin’ny fanadihadiana nataony no nahafantarana fa ny tena mateti-pitranga amin’ny Voafonja dia ny areti-tratra, ny tazo, ary ny aretinkoditra. Ho fanampiana ireo Voafonja eto Farafangana dia nanolotra fampitam-baovao sy sakafo ny Minisitry ny Fitsarana. Izany dia nahitana vary, karazana voamaina, savony, seaux, koveta. Marihina fa miara-miasa amin’ny ACP ny Mpiandraikitra ny Fonjan’i Farafangana ka misy ny fampianarana manoratra, fampianarana mahandro ho an’ny vehivavy.

➡️Manana Toby famokarana ( Camp Pénal) ihany koa ny ao Farafangana ka 75ha no azo volena ao Manombo.
Misy tany mbola andalam-pangatahana ihany koa, 50ha an’ny fokonolona fa ny 16ha no an’ny fitsarana