Posted in Actualités

FONJABEN’ANTANIMORA.

FONJABEN’ANTANIMORA, NOTOLORANA MARI-PAHAIZANA IREO VOAFONJA VEHIVAVY.

📌Alakamisy 19 octobr 2023 – nanolotra mari-pahaizana na « attestations aux lauréates de la 1ère promotion » ho an’ireo voafonja vehivavy eto amin’ny Fonjaben’Antanimora izay nahavita fampiofanana momba ny zaitra sy fanamboarana « serviettes hygieniques reutilisables » ny avy amin’ny « Douleurs Sans Frontières Madagascar » àmin’ny alalan’ny tetikasa Mikolo Aina sy ny FANARENANA, ary nampian’ny Ministèran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa sy ny Ministeran’ny Fitsarana.

✔️ Ny tanjona amin’izao dia fanomanana ireo voafonja hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina ary mba tsy ho vesatra fa hanana asam-pivelomany.
Izao fanofanana izoa moa dia tohanan’ny AFD na « Agence Française de Développement ».

Posted in Actualités

FANATSARANA NY FOMBA FIASA SY FANAFAINGANANA NY RAHARAHAM-PITSARANA.

FANATSARANA NY FOMBA FIASA SY FANAFAINGANANA NY RAHARAHAM-PITSARANA: NANAO ATRIKASA TETO ANTSIRABE NY MINISTRY NY FITSARANA.

📌Alakamisy faha-19 Oktobra 2023, teto amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Antsirabe. Nitarika ny atrikasa ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Nandray anjara tamin’izany kosa, ireo rehetra mikirakira ny raharaham-pitsarana, ny Mpitsara, ny Mpirakidraharaha, ny Mpandraharahan’ny Fonja ary ny Mpiasa tsotra.

✅Nodinihana tamin’izany ny mikasika ny Fitsarana ady heloka sy ady madio, ka notombanana ny zava-misy sy ny fomba fiasa hatramin’izay, navoaka avokoa ny olana nosedraina teo am-panatanterahana ny asa, izany rehetra izany dia naravona ka nitadiavam-bahaolana mba hanafainganana bebe kokoa ny raharaham-pitsarana. Voakasika amin’izany ny raharaha ady tany sy mikasika ireo olona voatana vonjimaika any am-ponja, ary hampiharina eto Antsirabe ny paikady efa natao dia ny fizarana ireo raharaha amin’ny Mpitsara Mpamoaka didy. Torak’izany ihany koa ny Fitsarana ady heloka. Tanjona mantsy ny hampakarana ny tahan’ny voafonja voatsara, ary fampidinana ny tahan’ny voafonja tsy voatsara araka ny fenitra Iraisam-pirenena. ⭕Ankoatr’izay dia nomena fiofanana momban’ny fitantanam-bola ireo mpiandraikitra izany eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antsirabe.

➡Ny fanatanterahana ity atrikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny politikam-pitantanana napetraky ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, dia ny Fitsarana tsara tanana, tsy mitanila ary manakaiky vahoaka.

🎥 Indro arahina eto ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, mahakasika ireo teboka nodinihina nandritra izany atrik’asa izany.