Posted in Actualités

FITSIDIHANA TAO AMIN’NY MINISTRY NY FITSARANA.

📌Talata 10 oktobra 2023, tonga nitsidika ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Ramatoa RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra ny Mpanolo-tsaina manokana mikasika ny zon’olombelona ao amin’ny Firenena Mikambana, Ramatoa Sabine LAUBER ary nitondra ny tatitra voarainy tamin’ny Mpitondra teny avy any Genève.

⭕Nifampiresahana tamin’izany ny momba ny fiainam-pirenena sy ny mahakasika ny fanajana ny zon’olombelona amin’izao fotoam-pifidianana izao. Voaresaka tao ihany koa ny Lalàna momba ny zom-pirenena, ny fandavan’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona handray ny andraikitra maha filoham-pirenena mpisolo-toerana azy ary ny fahafahana manao fampielezan-kevitra ankalalahana.

➡Nanazava Ramatoa Minisitra fa araka ny fanapahan-kevitra laharana 12-HCC/D3 tamin’ny 9 septambra 2023 dia ny Governemanta ifarimbonana no mitantana ny Firenena taorian’ny fametraham-pialan’ny Filoham-pirenena izay nilatsaka ho fidiana.

📍Marihana fa araka ny andininy 120 ao amin’ny Lalàmpanorenana dia tsy azo ivalozana ny didim-pitsarana sy ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.
Mahakasika ny fampielezan-kevitra dia nohamafisiny ny fahafahan’ny Kandidà manao famoriam-bahoaka ankalamanjàna na an-dalambe ankalalahana, saingy ilaina ny fanambarana mialoha, an-tsoratra, any amin’ny solontenam-panjakana mahefa eo an-toerana araka ny andininy 97 ny Lalàna Fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 may 2018 mikasika ny fitondrana ankapobe ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka.