Posted in Actualités

TENDROM-PITSARANA MISAHANA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY AMBARATONGA FAHAROA.

TENDROM-PISTARANA MISAHANA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY AMBARATONGA FAHAROA : NAPETRAKA TAMIN’NY TOERANY NY FILOHA SY NY TONIA MPAPANOA LALANA.NANATRIKA NY LANONANA NY MPITAHIRY NY TOMBOKASEM-PANJAKANA, MINISTRY NY FITSARANA.

📌 Zoma faha 06 Oktobra 2023, eto amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly 67ha, taorian’ny fandraisana ny fihanianana, dia napetraka tamin’ny toeran’ny Filohan’ny Fitsarana Mpamoaka didy eo anivon’io sampam-pitsarana io Ramatoa RAMBELO Volatsinana Sahoby, napetraka ho Tonia Mpampanoa Lalàna kosa Ramatoa RASOAHANTA Elysée.

🎯 Mifototra amin’ny politika ankapobeny napetraky ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana mikasika ny fanatsarana ny fandraharahana eo anivon’ny Fitsarana ny fomba fiasa ho tanterahan’izy ireo, indrindra ny fanamafisana ny ady atao amin’ny kolikoly izay antom-pisian’ity sampam-pitsarana ity.
Efa mipetraka mantsy ny politikam-panjakana amin’ny ady atao amin’ny kolikoly dia ny « tolérance zéro » izay mihatra amin’ny rehetra tsy misy an-kanavaka. Hampiharina ny fanentanana ny olom-pirenena handray andraikitra sy ho sahy hitoroka, fampahafantarana ny olona ny eloka sahanin’ny PAC,
efa misy ihany koa ny rafitra misahana ny fangejana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna, izay tena zava-dehibe manampy amin’ny famongorana ny kolikoly eto Madagasikara.

🔵 Nanatrika ity lanonam-pitsarana manetriketrika ity ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana, sy ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga ara-pitsarana ary ireo olo-manankaja sivily sy Miaramila.

Posted in Actualités

FIROSOANA AMIN’NY FIFIDIANANA.

NY FIROSOANA AMIN’NY FIFIDIANANA NO LALAN-TOKANA AHAFAHANA MIDITRA AMIN’NY ARA-DALÀNA SY HO FANAJANA NY LALAM-PANORENANA.

📌 Zoma 06 oktobra 2023, Ny firosoana amin’ny fifidianana ihany no lalan-tokana ahafahana miditra amin’ny ara-dalàna sy ho fanajana ny Lalam-panorenana, ary mandritra ny fampihelezan-kevitra dia zo ny mamory vahoaka na an-kalamanjana izany na an-dalambe ary ao anatin’ny fanajana ny lalàna fehizoro.

🎥 Manasa antsika ary hanaraka manontolo izany fanazavana nentin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana izany.