Posted in Autres Evenements

Fanolorana fitaovam-piasana ho an’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Arivonimamo.

📌 Alakamisy 27 oktobra 2023, nanolotra solosaina sy fitaovana informatika ho an’ny sampandraharaha miandraikitra ny fanangonana ny lamandy sy ny rantsana misahana ny fikarakarana ny taratasy fanatanterahana didy tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Arivonimamo ny PAJMA.

✅ Izao fanolorana izao dia tontosa nohon’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny Agence Française de Développement amin’ny alalan’ny tetikasa PAJMA.

Posted in Autres Evenements

ATRIK’ASA FANANGONANA TRAIKEFA.

⚖️ ATRIK’ASA FANANGONANA TRAIKEFA MAHOMBY MAHAKASIKA NY FANDAHARAN’ASA FANARENANA : TOMBANA SY VINA HATRAMIN’NY TAONA NANOMBOHANY.

📌Antananarivo faha 23 oktobra 2023 Nampivondrona ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny fandrarahana ny fonja Malagasy ny fandaharan’asa FANARENANA mba hijerena ireo tombana sy vinan’ny fandaharan’asa sy hikaroka ireo paik’ady hampaharitra azy.
Ny 23, 24, 25, 26 sy 27 oktobra 2023 teo, no nanatanterahan’ny fandaharan’asa FANARENANA ny atrik’asa fanangonana traikefa mahomby faharoa izay natao tao amin’ny ARRUPE Faravohitra. Nandritra izany no nivory sy niresaka mahakasika ny vokatra azo nandritra ny taom-piasan’ny fandaharan’asa ireo solontenan’ny fandraharahana ny fonja sy ny fiarahamonim-pirenena, ary ny mpamatsy vola, fa indrindra hamoaka sy hanagona ireo soso-kevitra enti-manatsara ny asa natomboka.

➡️Tamin’izany, nisy ny dinika sy famelabelarana ary fanehoan-kevitra mahakasika ireo zava-bita rehetra nandritra ny taona voalohany niasan’ny fandaharan’asa. Tao anatin’izany ny fandrosoan’ny asa sy ny fanatsarana rehetra nentina tamin’ny torolalana sy fitantanana ny fandaharan’asa. Nisy ihany koa ny fandinihana ny fanatanterahana ireo tolokevitra fanatsarana sy lesona azo tamin’ny atrik’asa fanangonana traikefa mahomby voalohany. Aorinan’ity atrik’asa ity dia hisy boky mirakitra ity fanangonana traikefa mahomby ity izay lasa ho fitaovana ho an’ny fandraharahana ny fonja hanatsarana ny fomba fiasa eny ifotony. Ity boky tatitra ity ihany koa dia entina handresen-dahatra ireo mpisehatra hafa rehetra manam-panirina hiasa, na te hisehatra eny anivon’ny fandraharahana ny fonja.

⭕Ity fanangonana traikefa mahomby faharoa ity dia narahana ady hevitra, sy fandraisan’anjara mivantan’ireo mpisehatra sy ireo mpisitraka, antoka iray nisian’ny fifanankalozana azo tsapain-tanana tamin’ireo sehatr’asa nasongadina, dia : ny fahasalamana, ny fanjarian-tsakafo, ny tobim-pamokaran’ny fandraharahana ny fonja. Fotoana indrindra koa niresahana ny fandaharan’asa FANARENANA manontolo sy ny fandrindrana azy ity atrik’asa ity.

Posted in Actualités

Fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Ministry ny Fitsarana.

📌 Alakamisy 26 oktobra 2023, tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, Ramatoa Landy Mbolatiana RANDRIAMANANTENASOA teto Faravohitra ny « First Secretary » avy amin’ny « Bangladesh High Commission » 🇧🇩 Andriamatoa Zakaria Bin Amjad.

⭐ Fitsidihana izay narahany fanomezana fahatsiarovana ho an-dRamatoa Ministry ny Fitsarana.

Posted in Actualités

FAMPANDROSOANA NY ASAM-PITSARANA.

FAMPANDROSOANA NY ASAM-PITSARANA SY FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY TETIKASA PRODIGY.

📌 Ny Alarobia 25 Oktobra 2023 no tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana teto Faravohitra tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana ny solontena avy amin’ny Fandrindrana ny Tetikasa PRODIGY (PROjet de Gouvernance DIgitale et de Gestion de l’Identité MalagasY), ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena ary ny tompon’andraikitra voalohany misahana ny tetikasa « Identification des personnes» avy any Benin.

➡️Nanamarika ny fitsidihana ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana informatika ho fampitaovana ny « TASK FORCE »- ny Ministeran’ny Fitsarana. Fitaovana entina indrindra hanatsarana ny fomba fiasa, sy hanafainganana ny fikirakirana ary fanavaozana ny rejisitry ny soram-piankohonana.

⭕ Nisy ny atrikasa sy fifanakalozana traikefa ho famaranana ny fitsidihana izay natao tao amin’ny tranom-bokin’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Fifampizarana hitadiavana ny paikady sy vahaolana mahomby amin’ny fampandehanana sy fametrahana ny tetikasa.

▫ Mbola hitohy ny 26-27 oktobra 2023 ao amin’ny CENTELL Antanimena moa ny fifanakalozana arakasa sy ara-traikefa, izay hiarahana amin’ireo tompon’andraikitra maro avy amin’ny Minisitera samihafa voakasiky ny tetikasa PRODIGY.

Posted in Actualités

FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA.

📌Zoma 20 Octobra 2023, tonga nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana teto Faravohitra ny solotenan’ny avy ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpirakiteny Mpanato Soratra Frantsay miasa ho an’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana na ny « Conseil Supérieur du Notariat Français pour l’Océan Indien », Andriamatoa Didier NOURISSAT, niaraka tamin’ny solontena avy ao amin’ny vondron’ireo mpirakiteny mpanato soratra eto Madagasikara na ny « Chambre Nationale des Notaires de Madagascar ».
Amin’ny maha mpiara-misehatra amin’ny asam-pitsarana ny mpirakiteny mpanato soratra na ny « Notaires » no anton’izao fitsidihana izao,

⭕Nivohitra tamin’izany fihaonana izany moa ny fandinihina ny tetika mba hampiroboroboana ny asan’ny « Notaire » eto Madagasikara ; ankoatra izay dia nohararaotina nandritra izany fotoana izany ihany koa ny nanaovana fanavaozana fifanaraham-piaraha-miasa ary indrindra fifanankalozana traik’efa teo amin’ny roa tonta.